14 taona lasa izay no nahamay ny Rovan’i Manjakamiadana sy ny tao amin’ny Ministere des Finances Antaninarenina. Zafy Albert no filoha ary Ravony no praiminisitra tamin’izany fotoana.
Ny 06 Novambra 195 tokony ho tamin’ny 5 ora sy 30 min hariva no voalazan’ny vavolombelona tamin’izany fotoana fa nahitana ny lelafo voalohany teny an-dRova.
Ny 30% tamin’ireo fanaka tao aminy ihany no avotra, raha nafindra vonjimaika ho ao amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha talohan’ny nametrahana azy ao amin’ny Lapan’Andafiavaratra, izay natao indrindra tamin’izany fotoana hifanandrify tamin’ny tsingerintaonan’ny andro nahaterahan’ny Praiministra Rainilaiarivony.
Kotsan-dranomaso Antananarivo tamin’izany andro izany nony nahita ny lavenona navelan’ny afo ny ampitson’io 06 novambra 1995 io.
Nisy ny fanangonam-bola,nahatonga ilay fiteny manadrohadro hoe ‘mametraha kely mba hanarenana ny Rova’. Saingy tsy dia nisy loatra ny mangarahara tamin’ny fitantanana azy ireny.
2005: nilaza ny hanarenana ny Rova ny Filoha tamin’izany fotoana, Marc RAVALOMANANA.
2009: 90% amin’ny asa goavana nampiandraiketina ny Colas no vita ary mbola ilàna vola hatrany amin’ny 11 miliara ariary ny fanohizana ny asa, izay orinasa hafa mbola tsy fantatra no hanohy azy. Ny asa miandry moa dia ny fandrakofana hazo ireo beton be nananganana ny Rova indray.
Hatramin’ny anio, mbola miandry izay marina momba ireny fahamaizana samihafa ireny ny vahoaka satria tsy mbola nisy nilaza ny marina hatreto. RAHOVIANA ?
Dia nilatsaka izany izao (07 novambra 2009, 6 ora sy 15 min) ny vokatra avy any Adis-Abeba, rehefa nandrasana hatry ny ela ny hahaterahan’AmbatoBevohoka.
Telo volana katroka taorian’ny tany Maputo, ary nihoatra lavitra ilay roa volana nolazaiko tamin’izany fotoana.
Nifanaraka izany ny Firehana Zafy Albert, Ravalomanana Marc, Ratsiraka Didier, Andry Rajoelina fa fa hampihatra ny Accord politique tany Maputo ary:
Andry Rajoelina : Président de la Transition mitarika ny raharaham-pirenena rehetra
Emmanuel Rakotovahiny sy Fetison Rakoto Andrianirina: Filan-kevitry ny Filoham-pirenena ‘Co-président’ (karazana mpanolotsaina izany ireto)
Président du Conges de la Transition:  Mamy Rakotoarivelo
Conseil  Superieur de la Transition (Mouvance Rajoelina)
Conseil  National de la  Reconcialiation : Albert Zafy
Premier Ministre  d’Union Nationale: Mangalaza Eugene
Ny Filoha dia tsy miova fa araka ny satan’ny Tetezamita, Filoha faratampon’ny foloalindahy, politika ankapoben’ny fanjakana, Filohan’ny Malagasy
Manao fivoriana iray isan-kerinandro sy conseil des ministres, mandray fanapahan-kevitra tokony horaisina
ary manotrona azy amin’izany ilay filan-kevitra
Ampitaina ihany ny vaovao feno rehefa azo daholo ny avy any Adis-Abeba
Roa taona lasa izay no nanoratako ity tononkalo ity. Toa mifanandrify indrindra amin’ny zavatra miseho amin’izao fotoana anefa ny votoatiny. Misaotra betsaka indrindra an’i Endrika01 nametraka fanamarihana tao anatin’ny vohikalan’ny Serasera.org  izay nametrahako azy tamin’izany roa taona lasa izany, izay arahabaina ihany koa nahatratra ny tsingeringerina nijoroan’ny vohikala.
Indro averiko etoana kosa izy ho vetsovetso iraisako aminao, ho tandindon’ny lasako, ary ho fanofisako sahady ny hoavintsika rehetra.
k’zaho ve? – Avylavitra
Mpanoratra : Avylavitra
Nampiditra : avylavitra
Date: 20/08/2007
K’zaho ve?
Nijery aho dia nahita
f’ireo be sandry sy be fikafika
dia miezaka hatrany hamotika antsika
Dia nijery aho, mbola nahita
f’ireo be hatoka mpangoron-karena
manindry tsy miato ‘zay te hiavo-tena
dia mbola nijery aho fa tsy nahita
na iray aza tamintsika
sahy hitsangana sy mba hiteny
hamaky bantsilana ny toy ireny
k’zaho ve?
‘zaho no antenaina hitarika foana?
‘zaho no atosika ho eny anoloana?
ny vavako ny ahy no haiko ampiasaina
k’aleoko mijanona ho mpanolotsaina
tsy eken’ny saiko ny hoe latsak’aina
ho an’ny maro…tsy mahay mifangaro.
Hijerijery aho ary enga hahita
fa mbola hitambatra ihany ‘reto isika.
Am’zay aho angamba ho sahy hitaty
na hamoy aina mihitsy ho faty
sy ho latsak’aina
ho an’ny maro… lasa nifangaro.
Avylavitra
(07 jolay 2007 06h 54 mn AM)
Atolotra manokana ho an’ireo zatra miravaka ny vangim-boay matin’ny sasany
Mba isan’izay nandefasana ilay rakipeo nataon’ny solontenan’i Congo, nihaika ireo firenena afrikana namany ao anatin’ny SADC sy ny mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana tsy hamela an’i Andry Rajoelina handray fitenenana aho.
Taorian’iny dia nihaino ny fanehoan-kevitra maro samihafa avy amin’ny olon-drehetra teny ho eny, na izany teny an-dàlana, na tany anaty fampielezam-peo samihafa koa.
Tsy vitsy ny naneho ny alahelony ka nilaza fa nisy ‘nampijabaka ingahy Andry Rajoelina’ fa tsy tokony nandeha tany akory, ary dia nisy anarana voatonona mihitsy moa tanatin’izany. Tao ny nilaza fa fanitsahana ny Malagasy any an-tampon-dohany iny zavatra nataon’ny afrikana iny. (izay ironako amin’ny ampahany ihany koa).
Antoko politika sy fikambanana maro no nanao fanambarana ny amin’ny tokony hialan’i Madagasikara ao anatin’ny vondron’ny SADC, sy ny tsy tokony handraisana intsony ireo GIC milaza ho tonga eto hanohy ny asa fanelanelanana, isan’ireny ny Monima, ny Leader Fanilo, ny Otrikafo sy ny hafa ihany koa .
Fa ny tena nankarary ny sain’ny maro (izaho anisany), dia toa atao tsinontsinona mihitsy  ilay fiandrianam-pirenena (souveraineté nationale) Malagasy, tsy asiana vidiny (na ho an’ny Malagasy ray, Malagary reny sasany eto amin’ny tanàna aza, indrindra moa fa ho an’ireo vahiny  na monina eto, na izay milaza ho sakaizan’i Madagasikara). Raha velon-kira sy nandihy, na nitehaka ianao (satria dia nisy tokoa izany) tamin’ny nandrenesanao fa hoe tsy navela niteny ny solontena Malagasy tonga amin’ny sehatra ambony tahaka ireny, dia izaho no menatra (tsy hiteny aho hoe ‘mba menatra’ satria safidinao izay). Izaho no menatra amin’ny maha-Malagasy anao izay nanao ny toy izany. Ny tokony ho tsaroana mantsy dia raha ingahy Andry Rajoelina no voatonona anarana teo anatrehan’ireo solontenam-pirenena maro, dia tsarovy ao ambadik’izay fa manao fikorisan-dranomandry ny zavatra tahaka ireny, voafaoka eny an-dalana ary mampitonbo hadiry azy ireo solontena (delegasion) Malagasy tonga tany. Avy eo dia mitohy amin’ireo mambran’ny fitondrana eto an-toerana, ary ny tratra farany dia ny anarana hoe ‘Malagasy’ iray manontolo.
Eto ny lahatsoratro dia tsy hijereko firehana hoe momba an’iza Rakoto ary manohana an’iza Rabe. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe ‘Malagasy ve ianao’? Raha eny, nanomboka oviana ary hatramin’ny rahoviana?
Misy fanehoan-kevitra maro ihany koa anasàna anao hitsidika ny Global Voices Malagasy sy lahatsoratra iray hafa amin’ny teny anglisy
Tokony tamin’ny 12h 40 teo dia voasambotra tao amin’ny NaLuGaro Hotel ny sénateur Naika Eliane.
Sary tokana azon’ireo mpaka sary teny an-toerana momba ny nisamborana ny Loholona Naika Eliane
Dimy minitra talohan’ny nahatongavan’ireo mpisambotra dia efa tafatsoaka daholo ny sasany rehetra, anisan’izany Rasomotra.
Araka ny tatitry ny tompon’ny Hotely dia efa ho 7 volana tany ho any taorian’ny fialan’izy ireo tamin’ny toerana natokana honenany no efa nanofàny efitrano tao amin’ity Hotely ity. Ka maromaro izy ireo no tao, ary Andriamatoa RAVALOMANANA Marc no mandoa ny lany.
Nilaza moa ny andaniny mpisambotra fa resaka fanakorontanana no anton’ny fisamborana, ary anio tolakandro no hatolotra ny etsy Fiadanana (Zandary) ny loholona Naika Eliane.
Eritreritro manokana no ilazana fa matoa 5 minitra tsy hahatongavan’ny mpisambotra dia afaka nandio rano nitàna ireo lehilahy matanjaka nokendrena tamin’ity indray mitoraka ity, dia angamba misy koa mpanome vaovao avy ao anatin’ireto mpisambotra ireto. Asa lahy!!!!
“MIVERINA INDRAY NY FAHINY ” hoy aho rehefa mahita ireo bala caoutchou mandihindihy sy mihazakazaka eran’ny sisin-dalan’ny Avenue de l’indépendance Analakely, ary koa ny setroka sy feon’ny baomba mandatsa-dranomaso alefa. Tsy lazaina ny feom-basy tsindraindray manako mafy noho ny toerana zary toa babangoana.
Fanampim-baovao: Araka ny tatitra avy amin’ny tompon’ny hotel dia nampiasa herisetra ireo miaramila tonga hanao ny fisamborana ary tsy nampiseho taratasy fahazoan-dàlana. Manginy fotsiny hoy izy ny fanimbana entana sy ny daroka vy natao tamin’ireo serveur. Fisavoritahana no hitana nanerana ny efitra maro hatrany amin’ny terrasse tao amin’ity trano fandraisam-bahiny ity. Mpandraharaha izahay hoy ny tompon’ny hotely ka tsy manda na iza na iza hipetraka ato.
Daty manana ny tantarany, tsy ho an’ny Word Trade Center ihany, fa na ho an’ny Malagasy koa aza ny andron’ny 11 Septembre.
Androany dia tonga nanohina ny antso natao teny amin’ny MAGRO omaly ny olona marobe fa hoe ho ano amin’ny kianjan’ny ‘demokrasia’.
Tonga teny andriamatoa isany Ambroise sy Satrobory.
Niezaka ihany ingahy Ambroise ny hifehy ireo ‘vahoakany’, saingy toa herim-po very maina izany noho ilay fiteny mahazatra hoe ‘be noho ny vitsy’.
Nifanatona tamin’ireo mpitandro filaminana ingahy Ambroise avy eo ary nilaza fa
‘amin’ny maha-mpihavana antsika no iresahako aminao, avelao ireo vahoaka ireo hiditra ao ….tsy mila manao fangatahana izahay…sns’,
ary novalian’ity mpitandro filaminana koa fa
‘efa nanao fangatahana ianareo…efa any aminareo ny valin’ny fangatahana nataonareo…Baiko no tanterahanay eto…miangavy anao mba hifehy ny olonao sy hiteny azy ireo hiataka…raha hanao amboletra ny hiditra ihany moa ianareo…anareo ny anareo…manatanteraka ny baiko zoko izahay…”
Efa nifandona kibo mihitsy no azo nilazana ny olona sy ny mpitandro filaminana teo Ambohijatovo. Rehefa reraka ny niangavy sy niaritra ny ompa ary ny fandranitana ny mpitandro filaminana dia mbola namerina ny fiangavian’izy ireo mba hihatahan’ireo olona marobe.
Rehefa tsy azo noresena lahatra sy nanomboka nanao fahirano ny fiara miaraka amin’ireo mpitandro filaminana teo anoloan’ny vavahady àry ireo olona marobe izay nitoko zihitra nipetraka mihitsy ny sasany,
dia niakatra tao anaty fiara ny roalahy tamin’ireo mpitandro filaminana mba hampiditra ny akanjo fiarovantenany sy hanomana ny fandefasana ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany. Nanomboka teo koa dia efa nadio ny rano nitan’ingahy Ambroise sy ny tariny, ireo vahoaka fandrisika amin’ny fotoan toy itony sisa no navela hisedra sy hitanty izay hiseho.
Dia nipoaka tokoa izay nipoaka. Tsy hita tabilao hatramin’ireo lehilahy goavana nihogahoga ny hoe tifiro raha sahy fa aleonay maty ho an’ny tanindrazana toy izay hilefitra amin’ialahy isany tsy vanona ireo’, mantsy ny mpitandro filaminana.
Ankoatra ny fanimbana zavatra teny amin’izay faritra nolalovan’ireto olon’ingahy Ambroise ireto dia nitondra faisana ihany koa ny fiaran’olon-tsotra nolalovany, na sendra nifanena taminy. Toy izany ny nahazo ny Mazda Minibus iray tetsy amin’ny làlana mampitohy ny JIRAMA Ambatonakanga sy ny Pharmacie  PERGOLA, ny tay Analakely sy ny manodidina azy (nitondra faisana tanteraka moa ilay Land Rover nentina vazaha iray nipetraka teo amin’ny Hotel de France, satria tsy vitan’ny hoe tapitra novakiana ny fitaratra, fa nangalarina sy norobaina tanteraka ny tao anatiny, nendahana daholo na autoradio sy izay tratry ny tànana (vatobe sisa no nisintirintirina teny ambony seza) ary mbola narahana teny hoe
‘Français , dehors’.
Betsaka ireo vazaha mpitsidika no tsy tafaverina tany anatin’ny hotely nivantananany fa nandositra amin’izay azo nisityrihana, toy ireo vitsivitsy nisafidy ny hiditra tao  an-tokotanin’ny Gare Soarano, ka niandry ny fitoniana vao niolomay namonjy ny Hotel Tana Plazza teo akaiky teo. Ilay Land Rover aza moa dia sy sahy nandeha mihitsy fa nitanaraka teny akaikin’ny fiara mangaben’ny zandary teny mandra-pahitany fa efa azo andosirana ny toerana, ka nahafahany nanararaotra nandeha sens unique niakatra nankany Behoririka.
Hafaliana ho an’ireto olona ireto koa ny namotika fiara iray BMW niantsona teo anelanelan’ny Hotel Glacier sy ny SICAM, talohan’ny namakian’izy ireo ny fitaratry ny SICAM. Rehefa izany dia nidina moramora nankeny amin’ny SARAFI irto andian’olona ireto ary saika hamaky ny tao. Efa nidina ihany koa anefa ny mpitandro filaminana izay niandry tety anoloan’ny SELECT HOTEL, ka tsy tontosa ilay eritreritra ‘hanabanaka’ ny SARAFI teo ambany arcade.
Nitondra faisana ihany koa ny fefin’ny zaridaina izay vao avy natsaraina sy namboarina ho kanto. Voabata ihany koa ny fanitso maro natao fefin’ilay zaridaina nasiam-panamboarana teo anoloan’ny Lapan’ny Tanana eo an-dalam-pananganana.
Tsy lazaina intsony ny fametrahana sakana etsy sy eroa (toy ny ao Behoririka nanoloana ny Hotel BIG BANG) sy ireo lalana manodidina iny faritra Analakely-Soarano-Ambohijatovo-… iny.
fehiny : fiara 4×4 roa (RAV4 sy Land Rover) ( teo amin’ny Glacier iray , ary Hotel de France iray)
sy BMV iray
ary fiaran’ny Zandary vaky fitaratra noho ny tora-bato
miampy 4×4 iray mitondra plaque verte vaky parebrise no simba , olona iray no naratra
20 no voasambotra taorian’ny  fananimbàna  publiphones sy takelaby fanaovana dokambarotra
Ny ankolafy ZAFY Albert dia nilaza fa tsy nanampy na nanohana na oviana na oviana iny hetsika nataon’ny mpomba an-dRavalomanana iny. Ange Andrianarisoa koa moa dia efa nilaza nialoha iny fotoana iny fa tsy nisy velively fanentanany ny mouvance ao amin’ny hidina an-dalambe.
Miadia hatrany ry mpanao politka a! Izahay vahoaka mbola vonona hatao sorona foana ho fatifaty amin’ny tsy antony. Avy eo ve ianareo tsy handihy eo ambonin’ny fasanay sady hifanao bà kely indray any Maputo! Sa tsy izany??
Fa isika vahoaka koa e !  Milay ilay revintsika a!  Rehefa maneho hevitra dia tsy mahita hanalàna ny fo afa-tsy izay sendra eo anoloana, ary tena ataontsika minan’en….mihitsy zay tratra. An’I Dada sa an’I Neny tokoa moa ireny. Sady angaha ny taranatsika handova an’ireny. Tohizo ihany e! Aza mijanona raha tsy leo. Na matyyyy!
Any amin’ny flickr izay hijery sary eeee!
Ny tenin’iza no arahana, ary ny an’iza no hodisoina?
Raha nilaza tamin’ny rehetra ry TABERA sy LECACHEUR teny Ankorondrano (kianjan”ny ara-dalana”)  omaly ny amin’ny mety hidinana an-dalambe sy hankanesana eny amin’ny kianjan’Ambohijatovo (kianjan’ny “demokrasia”), dia nandiso izany kosa ry RAKOTOVAHINY Emmanuel sy ANDRIANARISOA Ange.
Tsy nohamaivanin’ireo mpitandro filaminana anefa izany fa dia tonga maraina be teny anoloan’ny vavahadin’ny kianjan’Ambohijatovo izy ireo. Fiara vaventy miisa 4 no mitoby eo, ankoatra ireo fiara hafa nidina nizotra ho any Analakely hanao fisafoana sy hijery taratra ny manodidina. Efa misy hetsika voaomana mialoha rahateo ao anatin’io kianja io, ary efa eo ampametahana ireo fitaovana filalaovana samihafa ho amin’izany ny tompon’andraikitra.
Etsy andanin’izany koa anefa dia tsy hay intsony ireo olona mivorivory ety ambony akaikin’ny TELECEL fahiny (ilay sampanana mifandray amin’ny fidinana avy any Ambatonakanga iny), na olona haniona ny antso omaly, na olona liam-baovao fotsiny ihany.
Hita araka izany fa dia miakatra tokoa ny maripàna politika eto Madagasikara.
Ny ankolafy Zafy Albert rahateo moa efa nilaza fa “Raha ady no ilain’i Andry Rajoelina, dia hahita izy“. Samy nitatitra ny momba izany avokoa ireo mpampita vaovao rehetra.
Tombontsoa ho an’iza, na vondrona toy inona anefa ny fikorontanana?
Efa fiteniko matetika foana ny hoe ny mpanaopolitika anie ka mody miady androany, fa mifanoroka atsy ambadiky ny rideau e!
Porofo mivaingana amin’izany no atrehintsika ankehitriny. Nanao izay ho afany RAVALOMANANA hanalàna sy hanilihana an-dRATSIRAKA (tsy hiteny aho na ‘coup d’éta’t iny na tsia) ary dia nitarika ny olona hanao ‘désobéissance civile’, na tsy fandraisana baiko avy amin’ny mpitondra teo amin’ny fitondrana intsony. Nisy ny maty, nisy ny mitondra takaitra mandra-maty (na raharaha 1991, 2002 na 2009 io). Ary rehefa tonga teo amin’ny fitondrana ingahirainy io dia avy indray i ZAFY Albert nilaza fa tsy hanaiky ary tsy hiantso mandrakizay an’ingahy Ravalomanana hoe ‘filoha’, fa aminy dia toy ny olon-tsota rehetra ilay rangahy iny. Izany dia mandra-pialan’i “dada” teo amin’ny fitondrana. Tonga indray ny 2009, dia nentin’i Andry teny ankianja ny vahoaka ary dia izao atrehintsika ankehitriny izao sy mbola iainantsika ny tantara.
Ny mizaka ny vokatr’izany rehetra izany ve? IZAHO, IANAO, ny vahoaka tsy mandady harona, fa ny politika mizotra, mizotra foana mankany mankany.
Izao dia mifandray tànana (mba tsy hilazako hoe mifanao ‘bras dessus-dessous’) ry ZAFY-RAVALOMANANA-RATSIRAKA). Ary ianao VAHOAKA, iza no mba azonao atao ‘bras dessus-dessous’? Rehefa lany ny mamy ao aminao dia aloa tahaka ny fikam-pary ianao, ny omby sisa akamanao, na ny tany mba hitelina anao ho zezika.
Ny mahagaga koa anefa dia misy foana hatramin’izao ny olona voarebirebin’ny mpanao politika ka azo aroso ho sorona isak’izay misy tiana hahatongavana. Firy ny maty tamin’ny 07-02-2009? Tsy fantatra. Nefa mba misy  ve fanadihadiana marina sy mitombina hahalalàna ny amin’izany? Firy ny maty 10-08-1991? Fanontaniana toy ny teo aloha ihany koa ny momba an’io. Tsy lazaina moa ny momba ny 2002.
Anjaranao vahoaka no misaina. Mbola fotoana ve izao hanaovanao sorona nyainao ho an’ny politika maloton’ny sasany? Fotoana ve izao hamoizanao ny zanakao, ny vadinao, ny havanao noho ny hambom-po diso toeran’ireo be vozona sy matavy noho ny politika? Fotoana ve izao mbola hitampenan’ny masonao, na ny sofinao ka hanarahanao tsy misy fepetra izay heverinao ho marina (na hany tokana mba fantatrao) hatrany amin’ny fahafatesana?
Aoka hisokatra amin’ny lafy maro ny fijery sy ny fihaino fa izany no mahatonga antsika ho toy ny soavalin’Anosibe : tratry ny tampi-maso havia sy havanana, ka tsy mahita afa-tsy ny lalana asaina izorana. Ny fanaovana ‘halako hatramin’ny tsinay mainty’ no tiako hahatongavana eto, ka na misy aza feo tokony hohenoina avy amin’ny ankolafy hafa, dia sesehana lamba ny sofina tsy handre, na akimpy ny maso tsy hahita.
Am-bava homana, am_po mieritra. Atsipy ny tady ho an-tandroky ny omby, ny teny ho ao am-pon’ny mahalala.
Noho ny hamehana dia mety hisy diso tsipelina ny anarana , saingy ezahantsika hahitsy miandalana eny ihany
Vice-President de la Transition = RAJEMISON RAKOTOMAHARO
Président du Congrès de la Transition = Jacques Sylla
Vice-Premier Ministre chargé de l’intérieur= Manorohanta Cecile
VPM chargé des SantéPubliques = Pr. Alain Teandrazanarivelo
VPM chargé des Affaires étrangères = Ny Hasina Andriamanjato
Secretaire d’état chargé de l’enseignement technique/formation professionelle = Toto Raharimalala  Marie Lydia
Fanatanjahantena = Virapin Ramamonjisoa
Elevage = Maharante Jean de Dieu
Agriculture = Jaona Mamitiana Joscelyno
Environnement Eaux et Forêt = Colonel Randriamitantsoa Calixte
Jeunesse/Loisirs = Serge Ranaivo
Finance/budget = Hery Rajaonarimampianina
Meteo/travaux publics = Razafimandimby Eric
Communication = Nathalie Rabe
Peche/ressource halieutique = Alain Andriamiseza
Forces Armées = Colonel  Noel Rakotonandrasana
Justice/garde des sceaux = Christine Razanamahasoa
Energie = Rodolphe Ramanantsoa
Amenagement/décentralisation = Hajo Randrianarivelo
Enseignement Supérieur/Recherche Scientifique = Tongavelo Athanase
Transport = Rolland Ranjatoelina
Tourisme = Irene Andréas
Eau = Nirhy Lanto Andriamahazo
Population/Affaires sociales = Nadine Ramaroson
Enseignement secondaire= Julien Andriamanazato
Culture/Patrimoine = Gilbert Raharizatovo
Postes/telecommunication/NTIC = Augustin Andriamananoro
Commerce = Rakotonirina Jean Claude
Economie/industrie = Richard Fienena
Sécurité intérieure = Organès Rakotomihantarizaka
Secretaire d’état à la Gendarmerie = Général  Ravelomanana Claude
Araka ny fanolorana natao ,izao tamin’ny roa ora sy sasany izao,  dia betsaka tamin’ireo olon’ny fironana samihafa no tafiditra ao anatin’ity governemantan’ny fisokafana ity. Anisan’ireo tsy tafaverina ao intsony kosa ny minisitry ny vola teo aloha RAZAFIMAHALEO Benja. Isan’izay nahazo toerna ao kosa Alain ANDRIAMISEZA
Gouvernement d’Union Nationale no iantsoana ity governemanta vaovao ity. Governemanta Repoblikana
Etsy andanin’izany dia milaza ny hamoaka ny azy ihany koa amin’ity anio ity ny avy eo amin’ny MAGRO. Na Ratsiraka na ny mouvance Ravalomanana dia samy nitsipaka sy nadà avokoa ny fiarahany miasa amin’ireo mpikambana tao aminy teo aloha ka lasa ao anatin’ity governemanta vaovao ity.
Ny governemantan’iza izany no tena hifehy? Wait and see.
Fikambanana isan’izay manana fotokevitra maharesy lahatra ahy tokoa raha ity fikambanana lazain’i Solonavalona Andriamihaja ity. Tsy nolazainy moa ny anaran’ny fikambanana ka dia hajaiko izay safidiny izay. Mino aho fa mbola havoakany eto amin’ny aterineto ihany ny amin’izay. Inoako koa fa tsy hahasarotiny azy ny hamoahako etoana ny lahatsoratra nosoratany, sy izay mbola ho tohiny (andrasako toy ny miandry zaza ho teraka). Na ora roa aza no itondran’io fikambanana io fanazavana momba ny tantara sy ny fizotry ny fiainam-pirenena hatramin’ny taloha sy mandraka ankehitriny rehefa ao amin’ny fampielezam-peo, dia tsy mba mahamonamonaina ahy ny manaraka azy. Nanovozako zavatra betsaka sy nanokatra maso bebe kokoa.
Mazotoa daholo mamaky.
Fianakaviana politika eto Madagasikara
Mardi 1 Septembre 2009 12h05mn 28s
De: “solonavalona andriamihaja”
À: (adiresin’olon-tsotra sy haino amanjery marobe no teto fa nesoriko)
Fianakaviana  politika  eto  Madagasikara
Nafana indray ny ady hevitra eto amin’ny Kianja Serasera taorian’ny Dinika politika tany Maputo (Maputo I sy Maputo II).
Misafotofoto ny famoahana hevitra eo amin’ny politika, maro no manakiana, ary marina izany fa tsy manaraka fitsipika, tsy manana fitsipi-pitondrante na ny mpanao politika maro eto Madagasikara (io ilay lazaina hoe tsy manana « éthique » ireo mpanao politika sasany) : porofon’izany ny fisian’ny antoko politika miisa hatramin’ny 180.
Heveriko fa ny antony dia tsy mazava loatra amin’ny sasany ny toerana misy azy satria ny vokatry ny fanadihadiana ataon’ny tsirairay dia miankina amin’ny toerana politika misy azy izay mivoy fotokevitra iray ary miaro ny vontoatin’io fotokevitra io.
Indro àry misy hevitra vitsivitsy momba ny politika, ny fanaovana politika sy ny fitsipika mifehy an’izany.
Heveriko fa azo iaingana ireo ahitana mangirana bebe kokoa amin’ny famahana ny krizy eto amintsika izao ary azo iaingan’ny tsirairay hanazavany sy hanomezany ary hanohanany ny vaha olana atolony..
1       Fotokevitra
Ny fanaovana politika dia mitaky fananana fotokevitra iray iorenan’ny asa sy hetsika rehetra atao amin’ny fanaovana io politika io. Rehefa fantatra ny fotokevitra dia faritana ny tanjona hotratrarina amin’ny asa na hetsika iray, avy eo misafidy izay paika sy lalana entina hanatanterahana an’io asa na hetsika io.
Ny olona tsy manana fotokevitra politika mazava dia tsy afaka hanao politika amin’ny fomba madio sy mahomby.
Tsy miankina velively amin’ny taona ny fanaovana politika toy ny voalazan’ny sasany teto amin’ny Kianja Serasera : ny tanora indrindra raha tsy ampy traikefa ary tsy manana fotokevitra dia tsy ahomby eo amin’ny politika. Ny antitra koa anefa rehefa tsy manana fotokevitra politika mazava dia manararaotra manao hevi-petsy ary mahatonga ny tanora sasany hilaza fa ireo no goaika antitra amin’ny fanaovana politika maloto.
Ny fotokevitra politika dia ianarana ao amin’ny antoko politika (antoko politika voasedra sy manara-penitra no lazaiko eto) na ianarana sy ibeazana ao anaty fianakaviana efa niaina sy manana tantara eo amin’ny fanaovana politika.
2       Fianakaviana  politika
Tsy mitovy amin’ny any Eoropa na USA, firenena manana rafitra politika efa taloha ela, efa mandroso ara-toekarena koa ny fanaovana politika aty amin’ny firenena mahantra vao niala avy ao amin’ny fanjanahantany toa isika : tsy mitovy ny tanjona fototra tian-kotratrarina ary izany no manavaka ny fianakaviana politika miavaka tsara eto Madagasikara.
Hita eo amin’ny tantara ny fiavahan’ireo fianakaviana ireo ary izany no antony iaingako amin’ny tantara (tantara politika eto Madagasikara) eto amin’ity fanadihadiana ity.
Ny taona 1945-46, taorian’ny fahavitan’ny Ady Lehibe II no iaingako (na efa fantapantatra aza izany tamin’ny andron’ny fanjanahantany) : tonga dia miavaka tsara ireo fianakaviana roa ireo teto Madagasikara (ary jereo tsara fa mitovy amin’izany no nitranga tany Afrika sy Azia, ohatra tany Indochine taloha tamin’ny 1945-46) :
–        Ny fianakaviana iray dia manana fotokevitra mitaky ny Fahaleovantena sy Fiandrianam- pirenena (governemanta, parlemanta, vola, tafika tantanan’ny Malagasy). Eo amin’ny tantaran’i Madagasikara dia ny Fianakaviana politika notarihin’ny MDRM io tamin’ny 1945-46 ; MDRM = 75-80%-n’ny latsabato tamin’ny 1945-46 ;
–        Ny fianakaviana faharoa dia tsy mitaky ny Fahaleovantena fa hiankina amin’ny Frantsay no tanjony. Eo amin’ny tantara dia ny Fianakaviana politika notarihin’ny PADESM io tamin’ny 1945-46.
Ireo fianakaviana 2 lehibe ireo no mbola misy ankehitriny eto Madagasikara, taona 2009 ary io no manazava ny ady hevitra misaritaka eto amin’ny kianja amin’izao fotoana izao.
N.B. : Na maro mihoatra ny 180 aza ny milaza azy ho Antoko politika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao dia azo sokajiana ao anatin’ireo fianakaviana politika roa ireo izy rehetra.
Nohon’ny toetr’andro dia miova kely ny anarana fiantsoana ireo fianakaviana ireo ankehitriny (fa ny fotokevitra ijoroany TSY MIOVA amin’ny tany am-piandohana tamin’ny 1945-46) :
–        Ny fianakaviana voalohany dia antsoina hoe : TIA  TANINDRAZANA  TSY  MIANKIN-DOHA (satria tsy tia hiankin-doha amin’ny firenena vahiny toy ny Frantsay na Amerikanna na Canadianna na Alemana na amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena Banque Mondiale, FMI, . . .) ;
–        Ny fianakaviana faharoa dia antsoina hoe : MIANKIN-DOHA (satria miankin-doha amin’ny firenena vahiny toy ny Frantsay, Amerikanna, Canadianna na Alemana ary miankin-doha amin’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena Banque Mondiale, FMI, . . .).
3       Famahana  ny  krizy  politika : scénario  « teatra  klasika »
Mahavariana dia mahavariana ny zava-nitranga teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 1958-60 mandrak’ankehitriny : toy ny « teatra klasika » (tantara an-tsehatra) misy fizaràna 3, manaraka « scénario » klasika :
–        Tsy miova ny mpiantsehatra (ny mpandray anjara) : ny Fanjakana andaniny, ny vahoaka ankilany ;
–        Tsy miova ny « scénario » ;
–        Tsy miova ny fiafaran’ny tantara (tsy miova ny vokatra).
Toy izao ny fisehon’ny teatra :
Fizaràna I : Mijoro ny Fanjakana Miankin-doha fehezin’ny Frantsay.
Fizaràna II : Tsy eken’ny mponina ny fitondran’ny Fanjakana jadona (tsy misy fahalalahana demokratika) , tsy miaro ny tombontsoan’ny vahoaka maro an’isa (tsy misy fandrosoana na eo amin’ny sosialy na eo amin’ny toekarena na eo amin’ny kolontsaina) satria fehezin’ny vahiny (fehezin’ny Frantsay). Nipoaka ny Tolom-bahoaka, rava ilay Fanjakana jadona Miankin-doha.
Fizaràna III : Nitsangana ny Tetezamita : voahodin’ny Frantsay io avy eo satria avy ao anatiny nisy olona voavolavolan’ny Frantsay mialoha nanodina ny tolona (matetika olom-bitsy avy ao amin’ny fianakaviana politika PADESM, tena voavidy volabe). Izao no hita : afaka nandrava ny Tolom-bahoaka fa tsy afaka nanangana Fanjakana, resy ny Tolom-bahoaka. Mijoro ny Fanjakana vaovao « Miankin-doha », manana kolontsaina PADESM. Tapitra ny tantara.
Velona indray ny tantara vaovao manaraka ny « scénario » maty paika : Fizaràna I, Fizaràna II, Fizaràna III.
4       Krizy  politika  2009  sy  Maputo
Ahoana ny hamahana ny Krizy 2009 ?
Azonao atao ny mijery, ho fampitahana sy fandalinana ny « Teatra 1972 » : Inona no zava-misy eo am-piandohana ? Iza avy ny mpandray anjara teo am-piandohana ? Inona no takian’ny Tolom-bahoaka ? Nanao ahoana ny fipoahan’ny Tolom-bahoaka ? Nanao ahoana ny Tetezamita ? Iza avy ireo mpandray anjara tao ? Ahoana ny fomba nanodinan’ny Frantsay ny Tolom-bahoaka hivadika ho any amin’ny tombontsoany ? Nanao ahoana ny fiafaran’ny tantara ?
Jereo koa ny « Teatra 1991-92 », ary koa ny « Teatra 2001-2002 ».
Hanao ahoana ny « Teatra 2009 » ?
Ajanoko eto ny lahatsoratra sy fanadihadiako, amin’ny manaraka aho manome ny fomba fijerinay (satria anaty fikambanana aho fa tsy hevitro samirery akory no entiko eto eto amin’ny Forum Serasera fa hevitra avy amina tarika mpanao fanadihadiana ahitana manampahaizana vitsivitsy eo amin’ny sehatra politika, toekarena, sosialy, siansa, kolontsaina, . . .), fomba fijery hamahana ny olana politika eto amin’ny Firenena.
Solonavalona Andriamihaja
Amin’ny manaraka indray
Indro fanehoan-kevitra iray noraisina avy tao amin’ny dinidiniky ny serasera atolotro ho an’ny maro.
[serasera] Arahabaina
Dimanche 9 Août 2009 9h48mn 54s
De:”Randriamparany Thimotee”
À:serasera@serasera.com, serasera@yahoogroupes.fr
Akory aby
Dia arahabaina izany fa vita ny sonia ny Maputo.
Koa ny lalampanorenana vaovao maharitra, lalampifidianana vaovao, fifidianana maro hifanesy, ireo izany no maika sy ilana tanana maro; mba tsy iverimberenan’ reo tranga 1971, 1972, 1991,2002, 2009 ireo intsony.
- Tsy fifanongoam- pahefana (mpitsara, mpanao lalana, mpanatanteraka)
- Lalana mifehy ny mpitondra
-Tsy maty manota ny mpitondra
- Izay tsy tiany dia “affecter in 3 ao anaty taona iray”, gadraina, sns… (Tadidio ny PSD, AREMA, TIM, mety ho ny TGV koa ?)
- Lalana mifehy ny mpanohitra, hialana @ ny fanonganana an-dalambe isaky ny 5 – 10 taona.
- Lalana mifehy ny zon’ny malagay tsirairay, ahafahany miaina ara-penitra.
Izay indray fa fo sport aby e.
Thimotee
Fa fanamarihana kely avy amiko indray ity:
Amiko dia fandresen-dRavalomanana iny Maputo iny. Ary manomboka eto dia enga anie mba ho mafy orina tokoa ny resaka fitiavan-tanindrazana sy ny lalàna mifehy ny isan’ambaratonga mba tsy hisy hihevitra fa ‘ohatra azo alain-tahaka i Maputo’ ka ‘rehefa mitondra dia afaka mamono olona, manodinkodim-bola, mangalatra sy manao didiko fe lehibe  aloha, ary avy eo dia mandositra kely ary miandry amnistie dia miverina madio toy ny olona tsy nanao na inona an inona’. Voaray ao anatin’io teniko io daholo izy rehetra nanao sonia tany Maputo (Andry Rajoelina, Ratsiraka, Ravalomanana, Zafy Albert). Ary io ilay tany anaty hafatro iray izay hoe toa lasa resaka MAPUT(o)ahotra izy ity.
Betsaka ny naneho hevitra tamin’ireo onjam-peo samihafa teto Antananarivo androany, ary samy tsy nisy nankasitraka velively ny sonia vita raha ny ankamaroany. Nisy ihany vitsivitsy naneho ny haravoany sy ny atao hoe ‘tolerance’. Fa tsy vitsy koa no nandray azy iny ho famadihan’i Andry Rajoelina ny tolona nataon’ny vahoaka nentina nanala ny jadona (araka izay filazan’ireo mpiantso an-telefaonina).
Dia ho voafafa ao anaty tantara ve ny sary toy itony teny Ambohitsorohitra itony e? (ahitsio ny datin’andro ho 07-02-2009 fa nandingana iray andro ny fitaovana)
Toy izao no vaovao re tetsy sy teroa:
Omaly dia nisy fampielezam-peo tsy miankina nametraka ny dinika tany Maputo ho (+) miabo ho an-dRavalomanana
TVM: nilaza ny mpanao gazety misolo tena azy any Maputo fa mbola ao anaty dinika tanteraka ny rehetra ary tsy misy mipika ny resaka…nisy fidirana mivantana nataon’ingahy Voninahitsy Jean Eugene sy Pierr Houlder tao  nilazan’izy ireo fa tsy hisy mihitsy izany amnistie générale ho an-dRavalomanana izany ary tsy azo eritreretina velively.
Matv: niditra mivantana an-telefaonina avy an y Mapuot i Fetison (ankolafy Ravalomanana) nilaza fa (+) ny dinika ary miroso amin’ny amnistie ho an-dRavalomanana ny resaka, ary hiverina tsy ho ela eto Madagasikara izy. Ankoatra an’io koa ilay fidirana mivantana nataon’ilay mpanao gazety iray voalazako amin’ny hafatro teo aloha
Mifanipaka be araka izany ny vaovao omen’ireo loharanom-baovao roa ireo (TVM sy Matv)
RFI (4h maraina) : dia nilaza fa efa hifarana ny krizy any MAdagasikara. Nisy ny fanaovan-tsonia ny ‘accord politique’ teo amin’ireo ankolafy mpandray anjara tany Maputo…neken’ny rehetra ny amnistie ho an-dRAvalomanana, …tsy hisy fanarakarahana ara-pitsarana azy….afaka miverina any MAdagasikara izy amin’izao fotoana izao, fa ny fizarana seza ao anatin’ny rafitra efa mitsangan’ny HAT sisa no atao…Faly ny ankolafy Ravalomanana sy ny mpomba azy…Niteny moa Ravalomanana (tamin’ny teny Frantsay) fa hoe
…noho ny tombontsoa ambonin’ny firenena dia tsy hiditra ao anatin’ny HAT fa ny ankolafy miaraka aminy kosa dia handray anjara tanteraka…ary miantso ny vahoaka mpanaraka azy izy mba hanohy ny asa fanaony andavanandro….
Andry Rajoelina koa dia nilaza fa :
…manaiky izahay fa nanao fandeferana be dia be (beaucoup de concessions)
RNM: ny solontenany any Maputo dia nilaza fa ‘ankatoavin’ny rehetra ny fijoroan’ny HAT, izay tsy hihoatra ny 15 volana…hisy ny fijerena manokana ny hoe iza avy no ho mpikambana ao anatin’ny governemanta hitsangana eo…tsy mbola mahazo mody Ravalomanana…
TV5Monde: eto kosa ny fijerin’ny vazaha
Tsy hiverina aty Madagasikara RAVALOMANANA raha tsy milamina ny tany. Fanambarany izy tenany Ravalomanana, hono, io araka ny fanambarana voarakitr’i Liliane Andriambololona anaty horonam-peo ka halefa rehefa tonga aty Madagasikara izy. Marihana fa androany amin’ny 1 ora tolakandro no manomboka ny fanentanana ny olona hitsena ireo “delegasion HAT’ avy any Maputo. Tsy fantatra kosa rahoviana ny filoha teo aloha no hiverina eto satria henjana ihany ilay samy nitàna ny mokon-dohany tany maputo tany araka ity feon-gazety ity.
Mijanona ho filohan’ny HAT mandritry ny 15 volana raha ela indrindra i Andry Rajoelina
Misy ny fizarana seza ho an’ny ankolafy tsirairay ary dia hotaterina eto ihany araka ny filatsahan’ny vaovao ny momba izany
Fa momba ny fampitana vaovao ataon’ingahy ALAIN ANDRIANASOLO dia nanao fanambarana ny talen’ny RNM, Johary Ravaojanahary:
…ny tenako dia tsy nahalala ny nandehanany any…ny 05 aogositra teo vao nahalala aho fa any Maputo izy…naman’ny tsy iraka ofisialy izy…tsy hamoaka ny vaovao ampitainy ny RNM…ny vaovao ofisialy dia avy amin’ny namana Liliane Andriambololona…Manasa tànana ny amin’ny namana Alain ny RNM, ary manokana amin’izany ny talen’ny RNM… horaisina ny andraikitra mifanandrify amin’izany…indrindra fa tsy nahalala ny chef hierarchique…indrindra indrindra fa hoe hiampita ranomasina izany..tsy maintsy tenenina izany amin’ny anaran’ny mangarahara…tsy nisy solontenan’ny RNM nantsoina hankany Maputo…izany no nandraisana ny namana Liliane Andriambololona (TVM)  ho mpampita vaovao ofisialy…
Iray volana tokoa izay no nialan-dRAVALOMANANA Marc teo amin’ny fitondrana. Nialany hoy aho, raha ilay taratasin’i Pasteur RASENDRAHASINA Lala no atao teboka fiaingana.
Nahatsiaro izany koa ny namana sasany any anaty tontolon’ny serasera any ka nanoratra toy izao manaraka izao mba ho valin-kafatra ho an’ireo mitonona fa miaro izay lazainy ho ‘ara-dalàna’
Niniako nosoloina XXXX na YYYY  ny anaran’ny mpandefa na ny andefasana, sy izay rehetra anarana sasany  voatonona ao anatiny
Samedi 18 Avril 2009 9h34mn 53s
De: “XXXX”
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À: serasera@serasera.com, serasera@yahoogroupes.fr
Salama daholo e,
Iray volana izay no lasa ka nitsingerina ny volana nandosiran’ingahy Ravalomanana tany amin’-dry zareo maro vady (roapolo mahery mantsy ny vadin’ny mpanjaka Swaziland).
Nisintaka teto @ serasera moa ny tenanay satria tratra ny tanjona voalohany (ny fialàn’ingahy be marenina @ fitondrana izany). Reraka @ fihomehezana mahita an-dry YYYY  (varilala io) sy ny forongony mitomany SEZA eto, ary manonofy antoandro be nanahary amin ‘izany herin’ny SADC izany. Tsy fantatra na olona mba nanao miaramila ihany ireto olona ireto na koa izany hoe “miaramila vatatay” izany t@ fotoan’androny na “Andriana reraka” (araka ny filazan’ny sasany izany), fa tsy mba mieritreritra mihitsy fa faly mamafy lainga, sy ny nofy ratsy izay manakana azy matory @ alina, ka dia mivavaka mba hisian’ny ady an-trano ao Antananarivo (mivadika im-pito angamba ingahy Andrianampoinimerina raha mamaky ny rediredin-dry YYYY) ary mihevitra fa hiverina ho filoha-pirenena ny dadany, ilay mpamboly rongony, mpandroba bois de rose sy mpanodikodina volam-panjakana mitentina (hatramin’izao) 19 miliara.
Zo-n’ny tsirairay ny manonofy e. Tsy hifanomezantsiny izany.
Mbola misimisy ihany koa ny misary tezitra fa hoe “coup d’Etat” ity nataon’ny TGV ity ary manome lesona be fa hoe tsy azo ekena hono izany. Tsotra ihany ny valiny e: Ilaina ny Coup d’Etat raha mpanabotry vahoaka, be marenina, mpamboly sy mpivarotra rongony eran-tany, mpandroba bois de rose, mpamono olona, mpiady an-tsena ny mitondra fanjakàna.
Izay tsy faly amin’izany dia hiagaviana hanao koa raha sahy sy manana ny hery hanao an’izany.
Ity fizirizirian’ ingahy exilé Ravalomanana hiverina eo @ fitondràna ity dia porofo mitohoka amin’ny tenda indray fa ny kibony ihany no mahamay azy fa tsy mandraharaha izay tombotsoam-bahoaka izany io dadan’ny sasany io.
Raha tia tanindrazana marina izy (resaka moa izany fa efa fantatra ny aminy) dia ny hody an-tanindrazana aloha no tokony dinihany, alohan’ny ny hiverina ho filoha.
Eny! tsy azo hodian-tsy hita ny sazy ataon’ireto communauté internationale satria ny tombotsoam-pirenena sy ny vahoaka no tokony tsinjovina hatrany. Eny, mbola tsy tonga lafatra ny fitantanana ny tetezamita. Na izany na tsy izany kosa dia TSY MISY HIVERINA AMIN-DRAVALO tia-tena, tsy miraharaha raha tsy ny hameno ny kibony ihany, eo. Tokony aroso ny fifidiananana raha vao voadio tsara ny fepetra rehetra ahafahana manao fifidianana malalaka.
Mahazendana mihitsy ny mahita an’ireto olona sasan-tsasany misera eto izay hita mibaribary fa very SEZA, Tsy nanam-po mihitsy fa hirodana @ 2009 ity seza taratasy izay niankinana mafy dia mafy; ny any Ivelany moa miady ny hifikitra eo sao dia lasa “saômera” tampoka eo.  Hoy Mahaleo izay: “Miodikodina ihany letsy a, ity tanintsika ity”. Ka noho izany: TOKONY HATSAHATRA amin’izay ny NOFINOFY e. Mifohaza amin’izay fa efa iray volana izay ny dadanareo manao film ao afrika ao hihomehezan’ ny pokona mora fotsiny ao ambanidia sy ery ampasampito.
Hoan’izay milaza azy fa “légaliste”. Tokony dinihanareo tsara aloha ny dikan’io teny io alohan’ny hikiakiaka an’io eran’izao tontolo izao nareo satria ataon’izao tontolo izao fihomehezana ny adalanareo: Olona légaliste izany tsy manohana Olona mametra-pialàna, avy eo milaza fa tsy nanao an’izany; mandositra avy eo milaza fa te hiverina ihany; Miziriziry hoe tsy handao vahoaka avy eo mandao ihany; Milaza fa tsy manitsakitsaka lalàna kanefa ny “foto-pisian” ny fitondrany” dia napetraka teo ambony fandikan-dalà na hatramin’ny 2002 ka hatramin’izao; Olona légaliste izany tsy manendry praiministra avy any Swaziland e; Olona legaliste izany tsy mitady hanao ady an-trano e. Olona “legaliste” izany tsy MIANTSO MIARAMILA SADC (Tena fandin-drazana io – Aiza ary Andrianampoinimerin ‘ny Salaôma amin’izany) HAMONO VAHOAKA, HAMETRAKA mpamboly rongony, mpandroba bois de rose, mpanabotry vahoaka, eo @ fitondrana IZAY NILAOZANY?
Mba “sérieux” amin’izay moa e. Hajanony amin’izay ilay revirevy “virtuel”.
Hoy ilay hira izay hoe: “Ô ry loloko ô, Afaka iray volana à, hiverina indray”.
XXXX.
Mahatsiaro manokana izay hiran’ny tarika MAhaleo izay aho androany. Fa maninona hoy ianareo? Tsotra ny antony.
‘Tadidiko ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa!’
Taloha tokoa dia niaraka nankalaza ny fetim-pirenena (niverenan’ny fahaleovantena) ny vahoaka Malagasy, na inona na inona olana nisy teto amin’ny fireneny. Tsy nataony ho zava-poana izany. Tsy maintsy nankalazainy tamin’ny fomba rehetra azony natao sy takatry ny sainy. Isan’ireny ny fananganan-tsaina isan-tokantrano, indrindra fa ireo manamoraona ny lalam-be iraisana. Tsy nisy mihitsy nanimbazimba izany andro izany ka hiteny hoe ampirimo ny saina fa aza atsangana.
Fa hafa kely kosa tamin’ity indray mitoraka ity. Tonga ny fetim-pirenena Malagasy 2009, dia nisy ny nanentana ny vahoaka hanao ny tsy fanaony hatramin’izay, ka dia niteny ny olona mba tsy hanangana saina. Be ny natahotra hanangana sao tsy mitovy hevitra amin’ny tena ilay olona atsy avaratra, na ilay ao atsimo. Dia nifampiandry ny iray tanàna hoe iza no hanangana ary iza no tsy hanangana. Nisy mihitsy ny nahavatra nanontany ny hevitry ny namany: ‘Ianareo ve hanangana? Izahay aloha toa … toa …’ Dia misalasala eo satria efa manana ilay firehana hoe nanohana an’itsy, na mirona aroa, ka sao mahadikidiky amin’ny mpiara-mitolona sy ny mpiara-dia. Tsy ao an-tsaina intsony ilay tena atao hoe Tanindrazana sy Firenena. Fa dia ny olona na ny vondrona arahana no sisa eken-teny. Mahagaga an! Mahatalanjona! Gasy Tia Tanindrazana ve izany?. Ary nandritra ny fihetsiketsehana ny volana aprily no mankaty dia nisy mihitsy aza moa no aanilanja sainam-pirenena hafa, na nanao azy ireny ho toy ny saron-doha hiarovan-tena amin’ny hain’andro. Raha hatreo ihany dia tsy ahoako loatra.
Fa androany kosa, fetin’ny ‘be kintana’ (amerikana). Raha nivoaka ny trano ka handeha hamonjy fihaonana iarahana amin’ireo namana aman-tsakaiza aho (avy any Andravoahangy ka hatrany Ambohidahy), dia nijery foana teny an-dàlana teny sao mba nisy olona nanangana saina ‘be kintana’. Tsy nahita anefa aho. Diso eritreritra aho. Noheveriko mantsy fa ireo olona nanakana ny Malagasy toa azy tsy hanangana ny sainam-pireneny, sy nisalotra ary nanindrahindra ny sainan’ny ‘be kintana’, dia mba hanangana izany kosa isan-tokantranony rehefa tonga ny 04 jolay toy izao. Indrisy fa diso aho, ary isaorako Andriamanitra fa diso tokoa aho.
Sady izao koa anie e!!!   Tsy ho tafiditra velively ho isan’ireo kintana efa eo amin’iny sainam-pirenen’ny olona iny velively i Madagasikara! Koa raha tsy adala izy kooo!
Eto aza aho dia misaotra manoka ireo teratany vahiny roa vavy tafaraka taminay tao anatin’ny fihaonana androany (Christi sy Claire Ulrich) tamin’ny filazany ny fitiavan y an’i Madagasikara. I Claire dia niaina ny taona efatra voalohany tamin’ny androm-piainany teto Madagasikara, ary i Christi kosa dia Peace Corps teo aloha no lasa kosa manao tetikasa ho fampandrosoana ny any ambany ravinahitra rehetra any.
Dia mba ahoana ianao Malagasy mamaky ahy io??? Raha misy ny zanak’i dada, dia mba meteza koa ho ‘zanak’i Neny Madagasikara’
Koa ahoana tokoa e? Mba ‘Tadidinareo ve ry zalahy e! Tamin’izany andro izany e!…mbola niarakaaaa…niaraka foana…niaraka hatrany…!”
Tafiditra teo Ambohijatovo ny mpomba an-dRavalomanana omaly. Nazava ny amin’iny satria nahazo taratasy fahazoan-dàlana ara-dalàna avy amin’ny mpiadidy ny tanàna ry zareo.
Rehefa nandeha nody anefa dia nisy ny fifandranitana teny an-dàlana, izay niafara tamin’ny fifampikasihan-tànana. Niteraka ratra ho an’ny andaniny sy ny ankilany izany iny omaly iny.
Re tamin’ny haino aman-jery isankarazany ny harivan’iny [sy araka ny fanentanan'ireo mpitarika teny an-kianja ihany koa] fa hijanona eo Ambohijatovo ny hetsika ataon’izy ireo hatramin’ny Sabotsy 13 jona.
Dia tonga teny tokoa àry ny olona, nefa efa teny an-toerana ihany koa ny mpitandro filaminana anaty Fiarabe niambina ny faritra.
Efa nomena ny Ministeran’ny Kolontsaina hikarakaràna hetsika ho an’ny ankizy ho fitsenana ny fetin’ny fahaleovantena mantsy ny kianja Ambohijatovo manomboka eto ka tsy misy fahazoan-dàalana hafa azon’ny mpiadidy navoaka intsony mandritra ity volan’ny ankizy ity.  Aorian’io indray vao azo atao ny fifampidinihana amin’ireo izay mila manao hetsika eo.
Tonga maraina teny ny mpitarika (Randrianatoandro) ka nitaona izay tratrany teo hamonjy an’Ankorondrano (MAGRO) satria tsy azo atao ny miditra hanao amboletra tao anaty kianja. Niaiky izy fa taratasy lany andro no teny aminy. Ary izay mijanona eo tsy manaraka azy dia tsy olony fa mpanakorontana.
Fotoana elaela taty aorian’io koa dia tonga teny i ‘Satrobory’ ary nifampiraharaha tamin’ny kolonely iray.
reverend Ndrianalijaona 'Satrobory' mifanazava amin'ny mpitandro filaminana
Nitondra taratasy ingahy io nasehony ny mpitandro filaminana. Dika mitovy (photocopie fa tsy ny tena izy). Rehefa nojerena tsara anefa ny taratasy dia efa lany andro, satria voasoratra mazava tao, ary voatsipika mena fa natao ho an’ny andron’ny 11 jona ihany ny fahazoan-dàlana nangatahana.
Nitsotra tamin’ireo olona nanatona nihaino azy ingahy Reverend ary niaiky ampahibemaso fa azy ireo (mpitarika) ny hadisoana. ‘Tsy nitandrina izahay’, hoy izy. Ary dia nentaniny ireo olona efa nitangorona teo mba hamonjy an’i MAGRO.
Nampanantena moa ny mpitandro filaminana fa tsy hikitika ireto vahoaka ireto raha am-pilaminana sy tsy manelingelina ny filaminan’ny hafa ny zavatra ataony. Nilazàn’izy ireo àry i Reverend mba hitondra ny olony hiala ny faritra. Nanaiky ity farany. Saingy ireto olona niangaviana hamonjy an’Ankorondrano kosa no tsy nety nandeha avy hatrany fa hoe ‘aleo aloha ho betsaka kokoa ny olona vao miainga’.
Lasa ingahy Reverend, ary ireto olona tavela kosa rehefa nahavory maromaro ho namany, dia nanomboka nihogahoga sy nihantsy mpitandro filaminana.
Rehefa nandeha ny minitra sy ny segondra dia efa nanomboka voahodidina ihany ny mpitandro filaminana (na dia tsy tena voafefy tanteraka aza). Nahitàna olona nivorivory teo anoloan’ny tsangambato MDRM, teo amin’ny arrêt bus avy any amin’ny tunel, tery ambony akaikin’ny TELECEL taloha.  Izany hoe raha mitambatra ireo dia ho voahodidina eo ambavahadin’ny kianja Ambohijatovo ireo mpitandro filaminana sy ny fiarabeny.
Niroso àry ny mpitandro filaminana nanatona ireo andian’olona nivorivory teo anoloan’ny faritra nitobian’izy ireo, ary rehefa nitohy ny hogahoga sy ny fihantsiana, niharo teny ratsy sy ompa, hatramin’ny fitorahana BIG BOSS, dia nirefotra koa ny baomba mandatsa-dranomaso voalohany teo Ambohijatovo.
<object width='425' height='350'><param name='movie' value='http://www.youtube.com/v/HQN70tf_OxQ&rel=1&fs=1&showsearch=0&hd=0' /><param name='allowfullscreen' value='true' /><param name='wmode' value='transparent' /><embed src='http://www.youtube.com/v/HQN70tf_OxQ&rel=1&fs=1&showsearch=0&hd=0' type='application/x-shockwave-flash' allowfullscreen='true' width='425' height='350' wmode='transparent'></embed></object>
Nanomboka ny fandosirana. Tsy nisy kosa anefa ny fanenjehana aloha hatreo.
Noho ny baomba lacrymogène iray nidona tamin’ny taribin-jiro JIRAMA dia nivily làlana ka namaky fitaratr’olona teo akaikin’ny College de France. Tafiditra tany anaty trano araka izany ny baomba ary dia tao no nijolofotra.
Voatery niantso ny mpamonjy voina avy ao Tsaralalàna araka izany ry zareo mpitandro filaminana mba hijery ny zava-misy sy hanao vonjy aina raha sanatria…
Ndeha ilaozantsika Ambohijatovo fa hikisaka kely amin’ny manodidina azy amin’izay isika ary ho tonga hatrany Faravohitra Antaninandro Ankadifotsy Ambatomitsangana.
Rehefa naparitaka àry ireo olona tsy nety nanaraka avy hatrany an’ingahy ‘Satrobory’, dia niakatra nankany Faravohitra ny sampany iray. Ity sampana ity no nametraka sakana (barrage) eraky ny arabe hatrany Antaninandro,  Ankadifotsy Ambatomitsangana. Tonga hatrany Antanimena. Avy eo rehefa tonga ny mpitandro filaminana nanàla ny sàkana sy hanenjika azy ireo, dia nanao tari-dositra nankany Ankorondrano ry zalahy. Teto izany vao nisy ny fanenjehana , na fanosehana (fa tsy fisamborana) Izaho moa dia teny aorian’ny fiaraben’ny mpitandro filaminana teny foana nandritra izany rehetra izany.
Nopotehin-dry zareo  daholo na sarona dalle, na sisin-jaridaina nolalovana, na ny rond point teo Antaninandro mba hahafahana manao sakana tamin’ireo toerana nolalovana.
Tsaroako etoana ny tenin’ilay mafana fo iray teny Ankorondrano (tety amin’ny sisiny io ary maro no nandre azy) fa tsy maintsy ataony izay tsy hahavanona ny Fetin’ny 26 jona.
Androany, raha niresaka tamin’ireo mpitandro filaminana teny Ambohijatovo aho, dia izao no teny nampitain-dry zareo: ‘Fetin’ny Foloalindahy ny 26 jona, koa iaraha-mahita eo izay sahy higafy an’izay, fa dia hataonay mahamay. Andramo moa hahitàna azy’.
Dia lasa ny saina. Fitiavan-tanindrazana manao ahoana re no mibaiko ny tsirairay e? Entanin’Ankorondrano tsy hanangana sainam-pirenena ny Malagasy rehetra amin’ny 26 jona. Fa maninona? Fa nahoana?
Ny ‘vidéo’ momba ny fiaikena nataon’i ‘Satrobory’ dia mbola eo an-dalam-pampidirana azy ao amin’ny Youtube aho ka ampidiriko eto ihany rehefa vita.
Vaovao azo farany: Nanapa-kevitra tsy hanohy intsony ny dinika etsy amin’ny Carlton ny solontenan’ny HAT
Samy naheno daholo ny rehetra omaly fa nilaza ny hiverenany eto Madagascar ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. An’isan’lzay voalazany koa ny hoe hitondra miaramila mpampandry tany avy any ivelany ho aty amin’ny ‘tanindrazany’ (SADC ve? – tsy fantatro!).
Inona no azo tsoahina avy amin’ny tantara ?:
1* nisy ny krizy teto tamin’ny 2002 ireny (Mars Ravalomanana – Didier Ratsiraka). Nanangona Zanadambo Ravalomanana hifanandrina mivantana tamin’ny tafika Malagasy ( Izany hoe nisy ny affrontement, na fifanandrinana mivantana). Nisy ny maty sy ny naratra, betsaka ny fahapotehan-javatra. Fa adala ve izany ilay Ratsiraka Didier tamin’izany fotoana no tsy mba naka miaramila avy any ivelany hampandry ny ‘tanindrazany’ – toa naleony aza nilefitra sy niala teto ary nanao sesitany ny tenany mihitsy – angamba noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena sy ny vahoaka ao aminy – taorian’ireny hetsi-bahoaka (mouvements populaires) sy fifanandrinana (affrontements) ireny?
2* izao 2009 izao indray, misy ny olana Andry Rajoelina – Marc Ravalomanana) Niantso Ravalomanana ny amin’ny tokony hametrahan’ny Miaramila Malagasy ny fitaovam-piadiany. Koa tsy efa miteny ve izany fa hoe mipirima daholo isika Malagasy fa raha nahay nitondra vazaha ny hafa, dia izaho koa mba hitondra ny quota heveriko fa anjarako?
3* Fanontaniana ho an’ny rehetra: hopotehina marina ve no tanjona amin’ity firenena ity e? Toa fikolokoloana afom-pifandonana mantsy no misy hatramin’izay ka hatramin’izao raha ny fomba firesaka sy kabary heno etsy sy eroa no jerena. Tamin’ny 2002 raha nisy ny fifanandrinana, mba nanao concession toy izay misy amin’izao fotoana ve ny avy amin-dRavalomanana? Ankehitriny raha ekena indray ny hifanatona sy hiray latabatra amin’ireo mpomba azy, dia toa atao resa-jaza ny raharaha, ka rehefa te-ho avy dia tonga, ary rehefa te-hanepoka dia milentika. Fa entina aiza marina ity firenena ity e? Ary mbola tena azo lazaina ho tia tanindrazana ve izany olona mitondra tafika ivelany hampandry tany tsy misy fifandonana izany? Amiko mantsy ny ilaina hampandriana dia ny zavatra mikorontana ambony ambany, ka mila averina ho tony. Ekeko fa misy ny famoriana olona etsy sy eroa (raha ho azo raisina ho fifanandrinana mivantana koa izany), fa antony iray ve izany hitondranao tafika hoe ‘hampandry tany’? Sao mba eritreritra diso tanteraka ny fisainana toy izany zalahy a! Tena efa fanaovana tsinontsinona ny Malagasy iray manontolo izany amiko an! Raha tsy Zanadambo no ilazàna indray izany entiny ho aty Madagasikara izany, dia inona indray no mety hilazàna azy? Zanakombivaviberonono ve sanatria? Vazivazy iray an-dàlana fa mba eritrereto ihany ny Malagasy tsy mandady harona sy ny taranany, raha ny anareo efa tsara lamina sy tsy misy atahorana hatrany amin’ny zafin-kitrokely sy ny zafin’ny tsy fantatro any e!
Aiza re ilay Malagasy sy ny fikatsaham-pihavanana fahiny e? Izao ka dia lasa ny seza sy ny vola no tompon’ny laka.
Efa tokony hofafàna any anaty boky koa ilay ohabolan-drazantsika hoe ‘Aleo very tsikalakalam-bola toy izay very tsikalakalam-pihavanana‘ sy ilay iray hoe  ‘aleo halan’andriana toy izay halam-bahoaka‘
Tokony hovàna hoe
”Ny vola no maha-rangahy,
ny an’ialahy mbola tiako ho ahy,
ka aoka tsy handiso ahy,
raha manao ny toy izao aho
Ajouter un drapeau à ce mail
[serasera] Hafatry ny Filoha Marc ravalomanana hoan’ny Vahoaka malagasy
Mercredi 27 Mai 2009 1h00mn 58s
De:
“Oliva”
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À:
Undisclosed-Recipient:;@orange.fr
Miarahaba!
Sarotra dia sarotra ny tolona eo anatrehan’izao andro sarotra diavin’ny firenena izao,satria eto France no mipetraka sy miaina ny tena ka tsy afaka hilaza toy ny any Dago hoe:” Les Français DEHORS”.
Mandram-pitafa indray
Oliva
—– Original Message —–
From: patricia Lehmann
Hafatry ny Filoha Marc ravalomanana
hoan’ny vahoaka malagasy
26 MEY 2009
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, izay maro an’isa, ary mitolona tsy mitsahatra, tsy manaiky lembenana, miarahaba anareo aho.
ankehitriny i madagasikara dia entin’antokon-jiolahy manana tetika maizina miafina, tarihan’i Andry Rajoelina ary tohanan’ny frantsay.
Ny tanjon’izy ireo dia ny hanjanaka indray an’i Madagasikara, ary ny hanandevo ny Vahoaka malagasy. Ny tetika fitaka vaovao hitan’ny frantsay ialana amin’io savorovoro naterany io, dia ny fampiharana ny fifanarahana vaovao nataony tamin’i Andry Rajoelina sy ireo jiolahy manohana azy. Ny zavatra kendren’izy ireo dia ny hisian’ny adim-poko eto Madagasikara.
Ny mpitondra an’i madagasikara ankehitriny dia saribakolin’ny frantsay. Miara-miasa akaiky amin’ny frantsay izy ireo, ka ampiasainy ny fomba rehetra – tafiditra ao anatin’izany ny fanenjehana, ny famonoana, ny fanagadrana, ary ny fampihorohorona ny vahoaka malagasy, izay hita fa tena mahery fo ; tsy manaiky lembenana, fa mijoro amin’ny fitakiana ny ara-dalàna sy famerenana ny lalampanorenana.
Hahafahan’izy ireo mifikitra eo amin’ny fitondrana izay tarihiny io, dia mampiasa hery izy. Mihevitra izy ireo fa izany fahefana izany no manome zo azy handika lalàna. Tsy izany velively anefa ny safidin’ny Vahoaka malagasy.
Tsy tian’ny frantsay handroso mihintsy i madagasikara. Izy ihany no tiany hahazo tombontsoa. Avelany hanapotika ny fotodrafitrasa ireo olona baikony sy karamainy ireo mba tsy hampandrosoana an’I madagasikara sy hampivaotra ny farim-piainan’ny Vahoaka malagasy.
Ireo andian-jiolahy tarihan’I rajoelina dia tsy manam-pikasana hafa, afa tsy ny hanapotika ny fandrosoan’ny toe-karena Malagasy. Amin’izay dia mahantra sy mijaly ny Vahoaka Malagasy.
Hahatongavany amin’izany dia notafihany ireo fananam-panjakana sy fananan’olon-tsotra. Ao koa ny fangalany vola tao amin’ny Banky Foibe sy ireo fikambanana, toy ny “Assurances”, izay fananan’ny firenena Malagasy.
Amin’izao fotoana izao dia miezaka i Andry Rajoelina, ampian’ny frantsay, handresy lahatra ny firenena miteny frantsay rehetra. Ny tanjon’izy ireo dia hahazony ny fankatoavana sy ny fanohanan’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, amin’ny fandikan-dalàna sy ny fampiasana herisetra rehetra izay ataony.
Ry vahoaka malagasy tia tanindrazana, mijoro, mitaky ny ara-dalàna,
Hanao izay tratry ny heriko aho aho, ary hampiasa fahaizako sy ny fahefako, handrodanana haingana io fanjakan’ny baro tarihin’I Andry Rajoelina io, ary hamerina ny ara-dalàna sy ny hisian’ny fanarahana ny Lalampanorenana eto amin’ny tany sy ny Fanjakana.
Hahatongavana amin’izany dia nitety firenena maro aho. Nanaiky daholo ireo firenena ireo, izay hanampy antsika. Ho hambarako aminareo atsy ho atsy ny mikasika izany.
Koa ambarao amin’ny Malagasy rehetra mpiray tanindrazana izao resaka lazaiko aminareo izao. Ary mahereza fa mahatsiaro anareo mandrakariva am-bavaka aho.
Aza matahotra fa homba antsika mandrakariva Andriamanitra!
Toute la discussion (1) Répondre (en mode Web) | Nouvelle discussion
Messages | Liens | Base de données | Sondages | Agenda
Mandraisa anjara amin’ny fanohanana ny serasera
http://lisitra.serasera.org/content/view/24/54/
Ary ITY Ny avy amin’ny ankilany
—– Original Message —–
From: galiste rakoto
To: serasera@serasera. com ; serasera@yahoogroup es.fr
Sent: Monday, May 25, 2009 3:21 PM
Subject: RE: Fomba fijery momba ny famahana ny krizy politika eto amintsika
Salama e!
MANDAINGA i Ra-8 ary efa MPANDAINGA rahateo.
Mpamahan-dalitra gaigy lahy izy ary mbola maro no voafahana.
Eto Dago aho no miteny. Teto aho tamin’ny 16 mars sy 17 mars 2009.
Tamin’ny andron’ny 16 mars tontolo andro dia teo ivelan’ny Lapan’Iavoloha ny mpomba an-dra8.
Nameno vovotany an’ireo daba-pako natao barrage. Pelle mecanique mihitsy no mamenoana tany an’ireo
daba-pako ireo. Raha hanisaka daba pako ‘zany ianao d manala ny tany ao anatiny aloha.
Ny irika rehetra mankao amin’ny lapa dia bloquE daholo. Voasivana tanteraka ny fidirana.
Tao anatiny , asa na nisy securitE presidentielle na tsia. Na mety niesona koa ry zalahy.
Tao amin’ny RFI moa dia nisy fanontaniana hoe : Taiza ho’aiza ireo olona nanery anao hametra-pialana?
Tamin”ny telephone ve sa teo akaikinao? Valiny : nandritra ny alina mitabataba be any an-tokotany any?
Tsy ireo mpomba azy ve no  nanao hiran’ny mpiandry faty mivalana be teo e!
Nanjary nanofy ratsy izy.
Vao maraina dia efa nandeha ny feo fa hanao fanambarana lehibe ingahy ra8.
Decor correct satria teo amin’ny pupitre officiel izy no nilaza hoe :
‘…fanapahan- kevitra sarotra anefa voatery noraisiko…
manolotra ny fahefana feno amin’ny Directoire militaire aho…’
Erreur de strategie satria ireo tafika koa dia tsy vonona hitazona ela ny fahefana feno.
Deux temps trois mouvements , passe.
Manao rectification  ‘zao ireo very interet . Coup d’etat bla..bla..bla. ..
Tamin’ny nanao kanety ankadasitra no nisy hoe : hakamerim-botsotra.
Ny vahoaka ange ‘zao mangina e.
Eo amin’ny Magro no misy sasantsasany mitabataba satria tsara SONO.
Fa havereno eo ange i Dada dia hisy tabataba tsy misy micro sy sono indray eto.
Hatreo aloha
Ragalisy kely, tsy tia  lainga
Fanamarihana avy amiko: Tena marina tokoa ilay voalazan’i Galiste momba ny dabam-pako, ny hirahira natao nanodidina ny lapa satria teny aho hatramin’ny 21h ny alin’iny, ary tsy mora velively tokoa ny niditra tao. Asa anareo izay isan’ny teny raha nahatadidy fa hatramin’ny fomba fiakanjonao aza dia nojerena sy nohadihadiana avokoa (dia hisy hiteny indray izao hoe mandainga ny gazetyavylavitra). Izao mantsy no fomba nifamantarana teny an-toerana : avadika amin’ny lafiratsiny ny akanjo, fa raha tsy izany dia isan’ny olona mampiahiahy ianao. Entina eo akaikin’ilay afo pneu manakaiky ny dabam-pako aloha jerena tsara sy savaina. Mba tratran’izay ve i Galiste , fa izahay mantsy dimy mianadahy ny tratran’izany teny tamin’iny alina iny.?
Hatairana tokoa no nandrenesako androany ny fahamarinan’ny siosio henoko talohan’ny nandehanako tany Mahajanga tamin’ny volana Aogositra 2008. Honohono izay nilaza ny namindràna an-tsokosoko razana enina (6), ka isan’izany ny an’ny Mpanjaka, nalaina tao Manjakamiadana ny 03 Aogositra 2008 ary nafindra an-tsokosoko ho eny Ambohimanga.
Taraiky be ny vaovao tamin’ny TvM androany alina vao nandeha, ny antony ve? Mbola nanomana sy niandry io vaovao lehibe io ry zareo. Niakatra tao ny Tale iray ao amin’ny fiadidiana ny firaketana ny tantara sy ny rakitry ny ela, narahan’ny Minisitra Gilbert RAHARIZATOVO, nilaza ny fisian’io marina tokoa tamin’izany fotoana. Tsy izany ihany anefa no LOZA voalaza, fa ny fanovàna endrika tanteraka ny eny Ambohimanga, izay nampalahelo ny mponina eny sy ireo taranak’Andriana, eny fa na hatramin’ny UNESCO aza, noho ny Rovan’Ambohimanga efa tafiditra ho Harena Iraisam-pirenena.
Niova Ambohimanga satria nofonosina lalotra simenitra ilay tambohon’ny Ntaolo nataon’Andrianampoinimerina tamin’ny tapotsin’atody, norariana pavé autobloquant ny faritra (zavatra izay tsy nisy tamin’izany fotoan’Andrianampoinimerina izany), ny Vato nanandràtana an’Andrianampoinimerina dia notakonana vato hafa, novàna toerana sy efitra ny fanaka sasany tao anaty Rova. Ka aiza intsony ny haha vavolombelon’ny tantara ny toerana toy izany?
Raha iverenana kosa ny eo Manjakamiadana, dia ny endrika ivelany sisa no voalaza fa tazonina, fa ny ao anatiny, raha ny tatitra voaray (Tvm), dia ovàna ihany koa. Hasiana suite (azo ipetrahana, ho an’iza?) sy ascenceur ary WC fosse sceptique.
Noraisin’ny Minisitra sy ilay Tale ho fanimbazimbana ny Tantaram-pirenena sy fanaovana Zinona ny Malagasy iray manontolo izany rehetra izany. Fanitsahana an-tampon-doha hoy izy ireo.
Miandry izay fanakianana avy aminareo rehetra sy ny fahitanareo ny momba ity resaka ity indray aho, ary miandry koa ny filazàna an-gazety hivoaka rahampitso mba hahazoako vaovao mazava kokoa momba azy ity, izay mba nahatohina ahy koa fa tsy afeniko. Aiza ve ka amin’ny alina sy an-tsokosoko, ary 3CV no namindràna ireo razana (izay tena mahasarotiny dia mahasarotiny ny Malagasy tokoa), sady izay indray razana mirakitra tantaram-pirenena iray manontolo!
Fa ny nahagaga ahy dia izy ity tsy nisy sahy niteny hatrizay. Sa izao vao mahatsiaro ho afa-patorana?
Rehefa mahita tsy mety re rey olona ô, lazao foana, na izaho aza no tratranao nanao azy dia ambarao fa aza asiana tahotra sy kinamanamana.
Mitohy ny fanadihadian’ny tompon’andraikitra isan’ambaratonga.
Raha saika hisy ny diabe androany, dia naharay taratasy fiantsoana avy amin’ny anarany, nalefan’ny FFKM, ho fampihaonana azy amin’-dRAVALOMANANA Marc, amina toerana tsy an’ny atsy na ny aroa. Androany amin’ny 1 ora (13h) izay fihaonana izay, ary dia nofoanana aloha izao tamin’ny 12 ora 38 minitra izao ny diabe saiky hatao.
Miandry izay tohiny indray izany.
Re siosio koa fa hoe efa any Tsiafahy i RANJIVASON Jean Theodore. Ary iereo reserviste voasambotra nandritra ny tifitifitra tetsty Anosy kosa dia nalefa any Manjakandriana (voalaza fa misy eo amin’ny 39 olona eo izy ireo).
Ary talohan’ny nahatongavany teo ankianja androany dia nisy saika hitoraka tamin’ny cocktail molotov ny fiara nitondra an’i Andry RAJOELINA. Re koa fa hoe mbola nisy tamin’ireo mpikambana tamin’ny delegasion’ny SADC tavela tao amin’ny CARLTON, ary tsy fantatry ny teo anivon’ny tafika sy izay naniraka azy ny fisiany, nahita sy nandrakitra sary ny tifitra natao nandritry ny maraim-ben’ny Zoma teo. Toa hoe efa tafita any amin’izay naniraka azy any ampita any ny sary rehetra.
Mety ho antony fisian’ny fileferana hanaiky fifanantonana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany ve izay? Asa!!!!
Vaovao re tetsy sy tero daholo izany ampitaina aminao izany.
Nanao ny fihaonambeny koa ny mpiasan’ny Jirama androany maraina nanomboka tamin’ny 8 ora, ka teny amin’ny Sainte Famille Mahamasina no toerana nifamotoanana. Isan’ny ventin’ny fitakiana navaoky ny maro tao ny resaka karama sy fanalana vazaha.
12 febroary: Hatreto aloha dia tsy mbola feno ny vaovao azoko. Ampitaiko fotsiny aminareo izay azo ary dia fenointsika miadana eto.  Nisy korontana koa tany Toliary tany ary dia nisy ny maty sy naratra.  Izay ihany aloha no azoko ambara fa afaka mametraka hafatra eto izay manana vaovao momba izay. Indrindra fa ianareo any an-toerana. Iangaviako indrindramba hampiditra izay niainanareo eto ho fantatry ny maro. Misaotra mialoha.
13 febroary: araka ny tatitra voaraiko izao maraina izao dia 6no maty ary maromaro ihany ny naratra. Raha ny tatitra ihany koa dia ‘bande organisée’ no fahitàna aireto andian’olona voatifitra ireto.
Dia tonga maro namaly ny antso teny amin’ny 13 mai indray ireo mpomba an’i Andry Rajoelina androany. Talohan’ny nahatongavako teny dia nisy fiara 4 x 4 nisosososo nisongona ny scooter-ko teny an-dalana, hay ireto izy handeha handrava teny amin’ny 13 mai. Niditra an-keriny teo an-kianja hono ireo ary naka an-keriny fitaovana sy seza teo amin’ny 13 mai. Tsy ny rehetra anefa no lasa ary tsy nahaleo ny herin’ireto mpanohana an’i Andry kao ry zalahy ka lasa nandeha nirifatra nandositra.
Nanomboka teo dia tsy nisy nataoko afa-tsy ny naka sary sisa rehefa tonga teny an-toerana. Teny no nandrenesana ny hafatra avy amin’ny EMONAT (araka ny Radio VIVA) fa nilaza ry zareo hoe tsy avy amin’ny EMONAT ireny olona nanao barofo teny an-kianja ireny.
Nifandimby niteny teo ireo mpianatra, mpiasam-panjakana, solotena isam-paritra, sendika, senatera, sns… Satria tokoa nisy senatera sy olom-boafidy tonga teny ary nanao samboady mihitsy.
Notanisaina teny an-kianja daholo androany ireo teboka efa ho folo lazain’ireo mpomba an’i Andry fa fanitsakitsahana lalampanorenana nataon’Atoa Ravalomanana Marc, ka tafiditra ho isan’ny tena antony azo analana azy amin’ny toerany, ka isan’izany ny resaha ‘haute trahison’ momba ny fanafarana mpikarama an’ady hamono ny taranaka Malagasy, ny fanaovana fanavakavahana ara-pinoana sns….
Teny ampamaranana ny fotoana, rehefa ela no niandrasan’ny vahoaka azy, dia nivoaka ihany ilay fanambarana lehibe nataon’i Andry Rajoelina, ka nanabaràny fa izy ny mitondra vonjimaika ny tetezamita, ary manome baiko sy mitantana ny raharaha rehetra. Nisy ny fanaingany ny tafika sy ireo ministera isan-tokony mba hanaraka ny baikony.
Mifanome fotoana eny indray ny rehetra amin’ny Alatsinainy amio,’ny 10 ora maraina. Nilaza izy fa mandra-pahatongan’ilay governemanta tetezamita, dia angatahana ny Ministera sy ny biraiom-panjakana rehetra tsy hisy hivoha intsony.
Fa teny an-tsefatsefany teny dia mbola misy ihany ny gaigy sahy misangy vahoaka. Nisy tovolahy iray tratra nitondra basy tao anaty vahoaka tao, ka nosamborina. Rehefa natao ny fanadihadiana dia ‘basy kilalao’. Saingy inona no antony nitondrana sy nanehoana izany teny anivon’ny olona marobe teny. (hadalàna ny azy). Voalaza teny ambony lampihazo koa fa nisy fiara nizara vola tao ambadimbadika tao (nolazaina teny hatramin’ny laharan’ny fiara mihitsy), ary tany Ambodifilao tany, taorian’io fizarana vola io dia efa nisy vondron’olona nanomboka nitangorona tsy fantatra hoe hanao inona. Notondroina avy hatrany ho ireo ‘casseurs’ moa ireny. Ary niantsoan’ny teny ambone sehatra ny mpitandro ny filaminana mba hijery izany akaiky.
Raha mijery ny canal misy ny TVM sy ny sary alefan’ny MBS kosa ianao rehefa tonga aty an-trano, dia sary mitovy no mandeha ao. Isaky ny 15 na 30 mn eo dia ny hafatra avy amin’ny mpitondra no mandeha ao, ary fampilazana fa hampiasa hery raha ilaina. (araka ilay commandant vaovaon’ny Gendarmerie: Pili Gilbain). Rehefa nanontaniana ny mpiasa tao amin’ny TVM dia nilaza fa tsy fantany na ny toerana iaingan’ilay sary mivoaka ao amin’ireo fahitalavitra roa lazaiko etsy ambony ireo. Izany hoe piratage no zavatra misy. Saingy tsy fantatra hoe aiza no misy ilay foibe andefasana azy. Ary teknisian’ny MBS no mandefa azy. (s: Johary Ravaojanahary). Dia sanatria ve hiverina indray ny  resaka taloha ‘pensée unique’, hoy i Ismael Razafinarivo izay, ao amin’ny Radio Antsiva FM 97.6 ao.
Rehefa vita moa ny fihaonana teny amin’ny 13 mai dia nasaina nirava am-pilaminana ny rehetra, ary dia nilamina tokoa hatramin’ny fotoana nidirako ny varavaran-tranoko.
Fampitam-baovao ho anao no nataoko, koa aza maika ny handoko ahy ho itsy na iroa. Misaotra
Raha te-hijerijery sary moa dia any amin’ny flickr any ry zareo rehetra no nivahiny androany.
Manolotra fisaorana manokana ho an’ireo namatsy fitaovam-piasàna ahy  ny tenako. Dia i Boaikely izay nahafahako naka sary hatramin’ny ela, ka hatramin’izao.
Nisy ny antso avo nataon’ny mpomba an’i Andry Rajoelina mba ho fiarovana ny ‘emetteur’ eny Ambohimitsimbina, satria heno fa misy ny miaramila misaron-tava nalefa hanala an-keriny izany fitaovana izany.
Efa mandeha any koa, hono, ny didy fampisamborana an’i Andry Rajoelina.
An’arivony ankehitriny ny vahoaka tonga, na eny Ambodivona (tapaka mihitsy ny làlana), na ny eny amin’ny trano fonenan’ny Ben’ny tanàna mba hiaro ny ankohonany, na ny teny Ambohimitsimbina.
Voatosik’ireo vahoaka teny Ambohimitsimbina ireo miaramila nandeha an-tongotra saika ho eny. Nosoloina an’ireo mandeha camion indray izany (ho hita eo ny tohiny).
Hiverina tampoka eto Madagasikara Andriamatoa Marc Ravalomanana, ary dia nisy ni fampiantsoana ny vahoaka hitsena azy eny Ivato, ka hanao akanjo fotsy (loharanom-baovao:fampielezam-peo VIVA, Lalatiana Rakotondrazafy sy Rolly Mercia, Club de la presse). Toa nisy mihitsy aza hono ny fanapahana toriteny tany am-piangonana mba hilazana izay tokony hitsenana ny filohan’ny FJKM izay. (Tsy kentrina akory ny olona)
Niantso ny mpomba ny demokrasia hampiseho ny heriny Andriamatoa Marc Ravalomanana, ary dia nasehony tokoa izany omaly, setriny kosa dia nalefany ny tafika, ho toy ny herim-pamoretana hamono ny afo.
Misy ankehitriny ny filazana ireo secret rehetra momba izao fanjakana izao: vaoto soa emeraude tany Hong Kong, 356 kg vao naika hamidin’ny tompony tany ivelany ka nalain’ny fanjakana ary nampidirana ny tompony any am-ponja (hoy Rolly Mercia). Milaza ny hamoaka izany isaky ny adin’ny iray i Rolly Mercia raha ilain’ny fanjakana ny hamoahana ny tsiambaratelony rehetra, mba ho fantatr’ireo miaramila manaiky hanefa ny baikon’ity olona ity, handatsa-drà ny Malagasy mpiray tanindrazana. Hitsara antsika eto ny tanatara, hoy hatrany izy ao amin’ny onjam-peo VIVA. Fanontaniana napetrany amin’ny miaramila ny hoe : sahinareo ve ny handatsa-dra ireo vahoaka ireo?
Efa miala any koa ny andia-miaramila ho ety Ambodivona raha ny feo nalefa tao amin’ny VIVA Radio (loharano:Lalatiana Rakotondrazafy)
Mampahatsiahy ny tamin’ny andron’ny RESEP sy ny FRS , hoy Lalatiana, ity tantara miainga any ity. Tadidionareo, hoy hatrany izy, ny nahazo ireny olona ireny sy ny fianakaviany, satria eny anivon’ny fiaraha-monina foana ihany ianareo.
Rolly Mercia: Misy hono ny fizarana vola Ar2000 ho fanambazana an’ireo olona mba handeha hitsena an’Andriamatoa Marc Ravalomanana.. Feno sainam-pirenena natsangana manamorona ny lalana eny Talatamaty sy Ambohibao, ho fanehhoana aminy fa hoe mbola misy ny olona momba sy tia azy (Tsy mbola famitahana azy filoha ve izany?). Misy koa ny Bus lehibe nalefa hitatitra olona amin’izay fitsenana izay. Noterena koa ny mpiasa rehetra ao amin’ny Antenimieran-doholona ao mba tsy maintsy ho tonga any am-piasana androany amin’ny 12 ora.
2000: niteny Andriamatoa Marc Ravalomanana, fa raha misy olona na dia 200 aza midina eo amin’ny 13 mai mangataka ny hialany, dia hiala izy (mbola hitazona izay teny nomeny izay ve izy?), hoy i Lalatiana Rakotondrazafy. Niantso ny olona koa moa izy ho an’ireo izay mahalala ireo hery nalefa hamoritra vahoaka ireo mba hitadidiy ny anaran’izy ireny.
Mihiaka hatramin’ny hoe ‘na hisy faty olona aza, tsy misy hiala eto Ambodivona’, ireo vahoaka tonga manao andrimaso.
MBS, Radio Fahazavana, Radio MAda (izany hoe ny Groupe MBS): tsy misy afa-tsy fanaratsiana an’ingahy Ben’ny tanàna no mandeha ao amin’izao fotoana izao.
Antsoina koa ny Fonksionera rehetra (ombam-bady aman-janaka) hitsena ny filoha androany Alahady, raha tsy izany dia hisy ’sanction’ hirotsaka ho an’izay mandà.
VIVA: Misy Minibus Gris nivoaka tao Fiadanana mitondra miaramila misaron-tava hamonjy ny eny Ambodivona hanakatona azy sy hisambotra iray miteny ao , miaraka amin’ny Ben’ny tanàna.
Nisy Gendarme GP2 avy ao amin’ny Renseignement Fiadanana tratran’ny andrimasompokonolona teo ampampitàna vaovao ho an’ny lehibeny momba ny lalana tokony haleha raha te-hanafika an’Ambohimitsimbina. Izany Doudou izany no fiantso azy.
Nasaina nampaneno lakolosy ny fiangonana sasany mba hanentanana ny vahoaka hitsena an’Andriamatoa Marc Ravalomanana.
Teo aloha tokoa dia nisy ny zavatra azon’ingahy Marc R. rehefa avy any ivelany tany, fa tsy nisy ny fitsenana makotroka toy izao, fa tamin’ity indray mitoraka ity angamba nahazo zava-tsoa be tokoa izy matoa anafarana olona hatrany Arivonimamo. Nisy ny fizarana hena sns…
Nanao hetsika koa ny tany Toliary sy Antsiranana mba ho firaisany sy fiarahany mitempo amin’Antananarivo amin’izao fitakiana izao.
Nakatona ny Radio Feon’Imania taorian’ny nandefasany mivantana ny tenin’i Ben’ny tananan’Antananarivo.
Manasa anareo ihany koa hitsidika ny site Madagate fa misy vaovao azontsika ifampizarana sy ifampitana ihany koa ao. Isaorana etoana ny namana J. Ramambazafy amin’ny lahatsorany ao.
Re siosio koa ankehitriny fa misy ny manamboninahitra tsy mankasitraka ny fitondrana, ary efa mifampitsikilo izy samy izy hoe iza no tena manome ireny baiko ireny. Misy koa, hono, minisitra efa mitady ny varavarana hivoahana amin’izao fotoana izao.
Fa ny zavatra mahalasa ny saina koa dia ity, tamin’ny roa no voalaza fa hipetrahan’ny fiaramanidina mitondra an’Andriamatoa Marc Ravalomanana, nefa dia tamin’ny efatra vao nipetraka. Fa naninona? Asa lahy!!!!
Dia samy miandry izay kabariny izany isika rehetra.
Dia nikabary tokoa ny lehilahy ary nilaza fa ‘vita izay ny sangisangy’, ‘tsy maintsy handray fepetra ny fanjakana’. Fa angaha tokoa moa sangisangy no nandraisany sy ireo manodidina azy izay nataon’ny olona hatrizay?
Naharay taratasy ny VIVA Radio androany, avy amin’ny Ministeran’ny fifandraisana, milaza fa betsaka ny fandaharana ao amin’ity Fampielezam-peo ity no tsy manaraka lalàna ka miantso ity farany hampitsahatra ireo fandaharana tondroiny ho manelingelina ny filaminana sy miantso ny vahoaka tsy hankato ny fitondram-panjakana. Namaly tamin’ny alalan’ny onjam-peony kosa ny VIVA Radio ka milaza fa misy ny Fampielezam-peo [ na dia tsy notonininy aza dia ny MBS no tiany holazaina] izay mandika ny lalàana mipetraka momba ny fifandraisana sy ny serasera [tsy fahazoana manao couverture nationale, nefa efa 5 taona izao ny MBS no nanao izany], nefa tsy sahy mandray andraikitra momba izany ny Minisitra. Fa rehefa ny hafa, hoy ihany ry zareo, dia hain’ny Ministera ny manao taratasy.
Hevitro manokana: Nandeha namita iraka tokoa aho tamin’nay taona 2004, tamin’iny faritra SOFIA iny nandritra ny 1 volana sy tapany, ary tany Ambatondrazaka [2002], faritra atsimo indray [2003 tany ho any], Maintirano indray tamina’ny 2004 koa, dia tena mahazo tsara ny MBS tokoa ianao amin’izay faritra rehetra nalehako. Tsy hoe fanenjehana ny MBS akory no ilazako izany fa filazana kosa hoe ‘Natao ho an’iza ny lalàna?’ Fa na ny Radio tsy miankina maro aza dia efa imbetsaka no nisy niteny ny faniriany ny mba hahafahana mandrakotra ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, saingy tsy hita hatramin’izao izay valiny matotra.
Izany antso izany dia azo ampifandraisina amin’ny andalana faha 19 ao amin’ny fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona manao hoe :
« Tout individu a droit à la liberté d’opinion et d’expression, ce qui implique le droit de ne pas être inquiété pour ses opinions et celui de chercher, de recevoir et de répandre, sans considérations de frontières, les informations et les idées par quelque moyen d’expression que ce soit»
« Everyone has the right to freedom of opinion and expression; this right includes freedom to hold opinions without interference and to seek, receive and impart information and ideas through any media and regardless of frontiers. »
Isan’izay nampikamenona olona maro koa ny fanerena hiditra anaty antoko raha te-hirotsaka amin’ny resaka fifidianana. Dia ahoana ny amin’ity andalana faha 20 amin’ilay fanambaràana iraisam-pirenena ity, izay manao hoe:
« 1. Toute personne a droit à la liberté de réunion et d’association pacifiques.
2. Nul ne peut être obligé de faire partie d’une association. »
« 1. Everyone has the right to freedom of peaceful assembly and association.
2. No one may be compelled to belong to an association. »
Tohin’ny fampitam-baovao: Nandalo teny Ambodivona aho androany hariva, ary dia efa mijoro ao ireo trano lay hampiasaina mandritra ny alina hipetrahan’ireo Andrimasom-pokonolona. Efa misy ihany koa ny bac à ordures napetraka manoloana ny vavahady miditra mankao amin’ny Tana Water Front [io moa efa teo hatry ny alina, fa akisaka rehefa maraina mba hahafahan'ny fiara mivezivezy amin'ny antoandro, satria misy olona mipetraka ao anatin'io faritra io ary feno toeram-piasana ihany koa]
Radio Mada: nilaza ny Radio Mada androany fa 1/2 amin’ny vola nividianana ny Force One dia an’ny Filoham-pirenena, 1/2 avy amin’ny Firondrana Malagasy. Tsy nolazainy kosa anefa hoe misoratra amin’iza ary ny Force One. Mitsangana ny fanontaniana: Ka rehefa tsy eo intsony ary izy any aoriana, na ho ela io na ho haingana, dia ho asainy averin’ny Vahoaka Malagasy ve ilay 1/2 naloany? Sa ny Force One no ho alainy? Mila valiny!!!!
Radio tsy miankina iray: Nisy olona avy any amin’ny faritr’i Laca Alaotra tonga niakatra teto Iarivo ka niteny tao fa namidy amin’ny Japoney ny Lac Alaotra, ary amina teratany vahiny hafa ny ao Vohidiala [Ambatondrazaka] . Izay tsy nanaiky hoy izy dia misy ny nogadraina any am-ponja, ary mitaraina ireo olona ireo fa hoe ny voly vary no nivelomany hatramin’ny razany, koa inona indray no ho lovain’ny taranany any aoriana raha nalaina ankeriny ny taniny? …
Fa izay nahazendana ahy koa tamin’ny sabotsy nefa adinoko ny nilaza dia ny sary hita nalefan’ny mpanao gazetin’ny MBS sy ny feo nentiny nanao ‘commentaire’ hoe tsy dia nahazo  olona !!! Fa dia samy manana ny solomasony tokoa ny rehetra an!
Vaovao vao mafana be androany ny fidirana an-keriny nataon’ireo kolonely 5 miaraka amin’ny ao amin’ny Ministeran’ny Fifandraisana ary solontena avy ao amin’ny TVM ny teny amin’ny trano misy ny emetteur an’ny VIVA TV teny Ambohimitsimbina tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro teo. Nentin’izy ireo an-keriny nanaraka azy ireo kojakoja samihafa mampandeha izany  TV VIVA izany, izany rehetra izany dia tsy nisy taratasy filazana na fahazoan-dàlana (ordonnance, araka ny filazan’ni Rolly Mercia azy).
Izany hoe tsy manaiky ny hilefitra sy hamoritra tanan’akanjo mihitsy izany ny fanjakana RAVALOMANANA Marc, ary tsy manaiky velively hiatrika ny ‘réalité’, ny kiakiakam-bahoaka sy ny tena zava-misy.
Ny vahoaka no nihiaka ny hamohana teo noho eo ny VIVA TV, ka dia ny fanjakana no nialoha lalana rehefa mba nampiandry am-pilaminana ny vahoaka ho amin’ny Alarobia i Andry RAJOELINA.
(ny tantara dia mbola hitohy….)
*** Loharano : Radio Antsiva sy VIVA ***
17h Dago: Misy koa ny fandraofana ny findain’ireo mpiasa tao. Hiditra mivantana amin’ny fampielezam-peo rehefa avy eo ny Ben’ny tanàna Andry RAJOELINA
17h08 Dago:
Mpanao gazety:ahoana no fandraisanao ny fihetsiky ny fanjakana?
Andry RAJOELINA: …mitohy ny fanitsakitsahana ny demokrasia…miroso amin’ny jadona ny fanjakana…manampin-tsofina amin’ny feon’ny vahoaka…Manainga antsika rehetra vahoaka hiara-hanohitra ny tsy rariny…hiaro an’izany fananana izany….Tsy fitaovam-panjakana akory ireo….fanapenam-bava ny olona tsy haheno vaovao marina…Miantso ny vahoaka rehetra hirohotra ho eny amin’ny Radio VIVA Ambodivona sy ny emetteur Radio Ambohimitsimbina hiaro izany mba tsy hahafahan’izy ireo haka izany koa
Mpanao gazety: …fanaovana zinona sy fanaovana tsinontsinona ny vahoaka marobe tonga teny Ambohijatovo izao fihetsika feno avona ataon’ny fanjakana izao…Miantso ny vahoaka hanao Andrimasom-pokonolona ny Ben’ny tanana mba ho eny Ambodivona. Miantso koa ireo tompon’andraikitra samihafa isan’ambaratonga mba tsy hanaiky ny baiko mifanohitra amin’ny rariny sy ny hitsiny…
17h 23: nilaza ny vaovao tamin’ny VIVA Radio fa efa mangorona entana koa ny MBS eny Anosipatrana. Tsy fantatra aloha izay antony. Fa raha ny antso nataon’i Andry dia ny ho eny Ambodivona no niantsoany ny olona fa tsy ho any Anosipatrana.
17h34: tonga ao Ambodivona ny vahoaka manao andrimasom-pokonolona ary entanina hiditra ao anaty trano am-pilaminana sy hanaraka ny fandaminana
Entaniny ihany koa ny vahoaka hanao Andrimasom-pokonolona eny amin’ny Radio Antsiva izay mampita tsy miato ny vaovao ho an’ny vahoaka. Sao koa, hono, misy ny fampiasana  fahefam-panjakana hanakatona izany onjam-peo izany. Mifampitsaka sy mifandrefy amin’ny vahoaka mantsy, hoy izy iero, ny fanjakana ankehitriny
17h48: Handao kely anareo aloha ny mpanoratra fa handeha hanara-maso ny eny Ambodivona sy haka sary dieny mbola misy fitaovana azoko ampiasaina e!
18h
Feno olona manoloana ny toby fanodinana herinaratra Jirama Ambodivona amin’ny lalana miditra any amin’ny VIVA. Vonona hiaro ny Station sy hanao ny tsy mandrimandry
18h45: niainga ho any Ambodivona aho
20h01: tonga avy any aho. Marobe [anjatony] ny olona no tonga namaly ny antso. Tonga teny koa ny ben’ny tanàna ary nikabary fohy. Namerina ny fangatahan’ny vahoaka sy nanamafy izany. Ireo vahoaka kosa dia nidradradradra ny tokony hanalàna koa ny Minisitry ny Angovo, noho ny fanapahana [izay heverin'izy ireo fa fanahy iniana atao] amin’ny herinaratra, nandritry ny fotoanan’ny vaovao tokony hojeren’ny olona tamin’ny fahitalavitra TVM. Tsy teto Antananarivo ihany raha ny re no nisy io fahatapahana tamin’ny ora mitovy io fa hatrany Ambatondrazaka sy Toamasina koa dia naharaisana feo mikasika izany.
‘Vonona izahay na dia hisy faty olona aza et’, hoy ireo  olona marobe tonga teny Ambodivona androany alina. ‘Tsy misy manaiky izay fisamborana, fa aleo hifampitady’, ‘Tsy mila karama izahay fa hiaro anao, sy hiaro ny feon’ny vahoaka’; isan’ny teny noventesin’ireo olona ireo izany ankoatra ny hira MADAGASIKARA TANINDRAZANAY… izay miverina matetika, eny fa na dia nandritra ny kabary fohy nataon’ny Ben’ny tanàna aza. Misy ny taratasy nolazain’i Andry RAJOELINA fa halefa ho an’ny fitondrana, ka iandrasana valiny manomboka ny Talata [hafa ilay iandrasana valinteny Alarobia, dia ny fialan'ireo minisitra roa], ary mbola namafisiny koa ny tokony hanarahan’ny vahoakan’Antananarivo ny Radio VIVA momba ny fivoaran’ny toe-draharaha. Miandry izany ny vahoaka hatramin’ny Alakamisy sy Zoma ary dia hiverina eny Ambohijatovo indray ny andron’ny Sabotsy.
Tamin’ny fahasahiana tokoa no nanambaràn’ny Ben’ny tanàna fa ‘aleo anie tsy hamaly eo, fa ho hitany ny tohiny…’
Ny olona moa te-hihetsika ‘izao dieny izao’ foana raha ny kiakiaka re teny an-toerana no taterina etoana.
Marson Evariste dia nilaza fa mijery an’Antananarivo ny faritra, ary miandry fotsiny ny ‘reussite’n-ny hetsik’Antananarivo, mba hanaovany ny anjarany any amin’ny faritra. Roa andro aorian’ny teo Ambohijatovo moa no fetra napetrany, koa asa re!!! Fa dia eo isika mahita izy;;
Farany: raha niditra ny trano aho dia nilazan’ny manodidina fa heno tamin’ny fampielezam-peo io hariva io hoe miala any ny taratasy fanafoanana ny licence nomena ny VIVA. Ary marobe koa ny olona eny Ambohimitsimbina amin’izao alina izao.
Miverina ny fahiny…
Et voilà, la Place de la démocratie a été inaugurée ce jmatin.
La foule a répondu ‘présente’. Et comment! il fallait vraiment une Place comme celle-ci pour pouvoir crier les injustices vécues au quotidien par le peuple, et pour se faire entendre.
En Malagasy maintenant.
Notokanana androany ny Kianjan’ny demokrasia [Fahalalahana]. Vahoaka sesehena no namaly ny antso, ary tena tsy ho antonona azy intsony amin’ny antso manaraka. Satria mbola nampanantena fihanonana amin’ny vahoakany ny Ben’ny tanàna Andry RAJOELINA. Ity hetsika ity dia nifanandrify indrindra koa amin’ny hetsika izay nataon’ireo Malagasy mipetraka any Frantsa, manoloana ny tranon’ny Masoivoho Malagasy any an-toerana. Be ny zavatra novakiana batsilana, ne ny fitakiana natao, ary isan’izany ny hanokafana ny haino aman-jery tsy miankina nakaton’ny fitondrana noho ny resaka politika. Re izany izao fa rahampitso amin’ny 7 ora hariva dia hiverina handefa fandaharana ny VIVA TV na ahoana na ahoana no ho tohiny. Araka ny fangatahan’ireo vahoaka marobe teny an-kianja androany. Tao anatin’ny filaminana tanteraka no nanaovana izany rehetra izany. Na dia tsy nisy tamingana Polsiy sy Miaramila, na Zandary iray aza nalefan’ny fitondrana ho eny an-toerana mba hitandro ny filaminana.
Marobe anefa ireo olona voatokana manokana hitandro io resaka filaminana io teny an-toerana, ary nanana ny fanamiana nampiavaka azy manokana. Nanana fanamiana manokana niavahany tamin’ny be sy ny maro toy izany ko any mpikambana ao amin’ny TGV. Fanamiana izay nahitàna ny soratra hoe ‘AVOTANTSIKA NY DEMOKRASIA, SAUVONS ENSEMBLE LA DEMOCRATIE, DEMOCRACY, YES WE CAN’.
Sady nifety ny vahoaka no niandry am-pilaminana tanteraka ny Ben’ny tananany na dia efa tamin’ny 12 ora mahery aza ity farany vao tonga.
Taty amin’ny fiantsonan’ny fiaran-dalamby Soarano no nosafidian’ireto mpitandro ny filaminana ho toby, hiandrasany fotsiny izay zava-miseho.
Voalaza teny ihany koa ny afera maloto nataon-dry Yvan Randriasandratriniony (mpitantana ny MBS tamin’izany fotoana) sy Marc RAVALOMANANA (Ben’ny tanana tamin’izany fotoana) momba ny tany ampiasain’ny MBS ao Anosipatrana. Niofaina 4000FMG/m² akory isan-taona, ka rehefa nanao kajy ny Ben’ny tanana ankehitriny dia eo amin’ny 334FMG isam-bolana no hofany nanomboka tamin’ny 18 Aogositra 2000, talohan’ny nanovana indray ny fifanarahana ho ‘tsy misy fetra’  nanomboka tamin’ny 14 febroary 2007, ary tsy misy hofany intsony. Voatanisa tao koa ny aferan’ny vola nividiana ny Force One 2, sy ny fanomezana tany ho an’ny vahiny mba hamelomana ny vahoaka any aminy, nefa ny gasy kely eto tsy mahita tany hovolena.
Tonga nanafàna ny fotoanaireo artista toa an-dry Ra-Ckiki, Samoela, Black Jack’s, Tsiliva, Sareraka, Bekoto (Mahaleo)…
Nandray fitenenana tao ny solon-tenan’ireo avy any amin’ny faritra, ny CONECS tarihan-dramatoa Nadine RAMAROSON.
Hita teny an-toerana koa ireo solon-tena vitsivitsy avy amin’ny mpanohitra sy ireo mpiara-miasa amin’ny Ben’ny tanana ankehitriny: (Rolland Ratsiraka, IALY vadin’i Pety Rakotoniaina, Daniel RAMAROMISA, Henri Lecacheur, Alain RAMAROSON, Ny Hasina Andriamanjato, Elia Ravelomanantsoa, Michelle Ratsivalaka, Dolin Rasolosoa, RANJIVASON Jean Théodore, …
Mbola mifanome fotoana eny ny rehetra amin’ny sabotsy ho avy izao.
Indreto sary bobaka be azonao jerena hitarafana izay niseho teny. Raha mila maromaro kosa moa ianao dia iangaviana sy asaina an-tanan-droa hitsidika ny flickr avylavitra. Misy koa ny vidéo any amin’ny YouTube any.
Sao hadinoko fa nidina teny amin’ny foiben’ny VIVA ny vahoaka nitaky ny hamohana ity fahitalavitra tsy mainkina ity. Hay efa nisy mpitandro ny filaminana 4 kamiao tao an-toerana. Ny jeneraly misotro ronono Dolin  Rasolosoa no nandamina ny vahoak tsy hitroatra sy niofampiresaka tamin’ireto mpitandro filaminana
Adikako tsy asiana resaka (sans commentaire) ity hafatra ity. Isika rehetra kosa anefa dia angatahako indrindra mba hitondra izay heverintsika fa tokony hifanakalozana.
De: “andriarak”
Ajouter l’expéditeur dans les contacts
À: serasera@yahoogroupes.fr
ILS SONT EN TRAIN DE: ,DILLAPIDER LES RESSOURCE NATURELLES,STERILLISER LES TERRES FERTILLES,DETRUIRE LES PATRIMOINES SOCIALS,REDUIRE A NEANT LES VESTIGES DE NOS ANCETRES DATANT DE PLUSIEURS MILLENAIRES D’EXISTENCES DONT LES VALEURS SONT INESTIMABLES, PRATIQUER UN GENOCIDE SANS NOM ENVERS NOS POPULATIONS, HYPOTHEQUER LES VALEURS DE NOS
PATRIMOINES CULTURELLES, EXPROPRIER NOS FAMILLES DE LEURS TERRES BIEN-AIMEE,OU SE REPOSENT NOS ASCENDANTS DEPUIS L’ERE DE GONDWANA. ILS SONT EN TRAIN D’ASSERVIR NOS ENFANTS ,NOS PETITS ENFANTS,DANS LEURS FIEFS
D’OBSCURANTISMES ,DE MATERIALISMES A LA MANQUE,DE LEURS IDEOLOGIES AVEUGLES.DES QUESTIOS ET DES QUESTIONS ,FAUT-IL SE BATTRE OU FAUT-IL
FAIRE AVEC? A L’AIDE, ON A BESOIN D’ACTIONS, IMMEDIATEMENT, SINON DANS CE BAS MONDE TOUT EST RELATIF MAIS RIEN N’EST ABSOLU,ET L’ESPRIT HUMAIN NE
PEUT PAS PERCEVOIR AU-DELA DU PHENOMENE CAR L’ABSOLU EST
INACCESSIBLE. LE GLOBE TERRESTRE EST FAIT DE PLUSIEURS PAYS ,SI UN DE CES PAYS DISPARAIT,LE RAPPORT HUMAIN-NATURE SE DESINTEGRE TOUJOURS.
Hafatra nalefan’ny serasera group izy oty ary nataoko copier/coller tato fa toa mba ilako ny hevitry ny mpomba sy ny mpanohitra azy.